airtel

Toekarena

10-juin-2021

Toekarena

Fitaterana anabakabaka sy fizahantany Mandray anjara amin’ny “Aviadev Afrika 2021” i Madagasikara

Sample post image

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly alarobia 09 jona, ary haharitra telo andro, ny hetsika iraisam-pirenena momba

10-juin-2021

 

 ny fitaterana anabakabaka “AVIADEV AFRICA 2021”. I Madagasikara, amin’ny alalan’ny Ravinala Airports, no mampiantrano izany, eo ambany fiahian’ny ministeran’ny Fitaterana, ny Fizahantany ary ny Famantarana ny toetry ny andro. Noho ny fisian’ny Covid-19, dia tamin’ny fomba ampitain-davitra ny fivoriana. Maherin'ny 1 000 ireo mpandray anjara avy amina firenena miisa 76 ary maherin’ny 40 ireo kaompaniam-pitaterana nisoratra anarana (Emirates, Qatar, Lufthansa, Airlink…), hoy ny tatitry ny Minisiteran’ny fitaterana eto Madagasikara. Ankoatra ireo famelabelaran-kevitra maro samihafa, fihaonana B2B (rencontres B2B) maherin’ny 350 no hotanterahina ny tontolo andron’ny rahampitso zoma 11 jiona 2021. Mandray anjara mavitrika amin'ireo famelabelaran-kevitra ny ministera, miaraka amin'ny Ofisim-pirenena momba ny fizahantany (ONTM), ary mampahafantatra amin'ireo mpandray anjara any ivelany, ireo vinan'ny fitondram-panjakana ho an'ny fitaterana an’habakabaka sy ny fizahantany, indrindra aorian'ny krizin'ny COVID-19, hoy hatrany ny Minisiteran’ny fitaterana sy ny fizahantany ary ny famantarana ny toetr’andro.

Toky R

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nifanakalo traikefa tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny any Maroc ny ekipan’ny ODOF.

Card image cap
23-avril-2024

Mbola mitohy ny fisoratana anarana amin’ny loka Pierre Castel. Hifarana ny 24 aprily ho avy izao ny andiany amin’ity 2024 ity.

Card image cap