airtel

Toekarena

12-janv-2023

Toekarena

Fitotonganan’ny Ariary Mbola ny Covid sy Ukraine foana no diso?

Sample post image

Tsy eto amintsika ihany no mitotongana ny Ariary fa manerantany, hoy ny vazivazin’ny mpanara-baovao ao anaty tambazotran-tserasera ao. Ny ady any Okrainina sy ny COVID koa no antony, hoy ihany ny voalaza.

12-janv-2023

Misy fofompofona Ebola koa fa mbola tsy malaza tsara dia mbola tsy ampiasana aloha izay fialana izay fa atao “joker” amin’ny manaraka, hoy hatrany ny vazivazy zaritenan’ireo mpikirakira tambazotran-tserasera. Ankoatran’ny fidangan’ny vidim-piainana efa hiaraha-mahalala ho misondrotra isan’andro moa dia tsikaritra koa ankehitriny fa tsy vitan’ny hoe mitontongana fotsiny ny sandan’ny vola Ariary fa tena vizana mihitsy. Vao aninkeheo no 4899 Ariary dia izao hariva izao efa mihoatra ny 4900 Ariary sahady, hoy ny fanehoan-kevitr’ireo mpikirakira tambazotran-tserasera nahita ny sandan’ny vola malagasy Ariary mitaha amin’ny vola eoropeanina, Euro. Lasa 4908,38 Ariary tsinona ny Euro raha ny hita farany omaly hariva. Asa na mbola ho diso indray tokoa ny COVID sy Okrainina manoloana izao zava-misy izao.
J. Mirija

 

 

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

miainga any amin’ny fanisana na «comptabilité» ny fanatsarana ny fampidiran-ketra,

Card image cap