Nandray anjara tamin'ny adihevitra nokatakarain'ny firaisamonim-pirenena mikasika ny harena an-kibon'ny tany ny Minisitra Carl Andriamparany ny faran'ny herinandro teo. "Isika variana nanao adilahy politika, navelatsika teo ny sehatry ny harena an-kibon'ny tany. Tsy misy mpiresaka nandritra ny 16 taona mahery na misy miresaka ihany any ambadika any", hoy ny Minisitry ny harena an-kibon'ny tany Carl Andriamparany tamim-pahintsiana. Dia ny "permis miniers", fa azo amidy. "Mahalala ny ankamaroan'ny mpisehatra rehetra ato anatiny, ny 80-90%n'ny "permis" efa eny am-pelantanana mpisehatra sinoa, lasany daholo satria izy mividy teny amin'ny mpitrandraka madinika. Ny mpitrandraka madinika ihany koa moa nahita hoe tsy mamoaka fahazoan-dalana ny Fanjakana, izy tsy manam-bola dia namidiny", hoy hatrany ny tenany. Nampahatsiahivin'io Minisitra io anefa fa raharaham-panjakana ny fanomezana "permis miniers", tafiditra anatin'ny "attribution régalienne", ary anatin'ny fiandrianam-pirenena . Nametraka ny Fanjakana ankehitriny ny hamantarana mazava hoe inona marina ilay harenantsika, firy ny fatra na hadiriby,... Efa tsy dia manome ny firenena hafa mpifaninana ny firenena any ivelany. Manana akora miavaka i Madagasikara, toy ny graphite, bauxite, lithium,... izay mahaliana mpampiasa vola. Misy ny Firenena efa tsy manome ny akorany intsony indrindra ho an'ny mpifaninana. Vonona hiaro ny harem-pirenena, saingy misokatra amin'ny fiaraha-miasa izay efa politika ankampoben'ny Fanjakana, hoy ny Minisitra Carl Andriamparany. Navoitra fa manao ny ezaka rehetra mijery ireo harena an-kibon'ny tany sy ny hanamora ny fahazoan-dalana ny Fanjakana fa mijery ihany koa ahoana ny hiarovana sy hampisy lanjany ny harenantsika, ny hanodinana azy eto,... Resaka nataon'ny Filoham-panjakana ny herinandro teo tamin'ny diany tany Kenya moa ny hoe tsy maintsy haodina eto Madagasikara ny harena an-kibon'ny tany trandrahana eto manomboka izao. Tsy miresaka ireo fifanarahana lehibe efa vita tany aloha toa an'Ambatovy sy QMM fa ireo ho avy.
Toky R