airtel

Toekarena

28-janv-2021

Toekarena

Fitrandrahana harena an-kibon’ny tany Fahapotehana no nentiny tao anatin’ny 30 taona

Sample post image

Nitana ny sain’ny maro tato ho ato ny resaka harena an-kibon’ny tany, indrindra

28-janv-2021

 

 

 

fa taorian’ny fahatrarana ilay volamena 73,5kg. Singan-javatra manamafy hatrany ireny fa manan-karena i Madagasikara, saingy olom-bitsy no misitraka sy mitavana izany. Manjaka ny sehatra tsy ara-dalàna amin’ny tontolon’ny harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara. Ohatra iray mivaingana ny nambaran’ny Talen’ny seraseran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Rinah Rakotomanga ny 11 janoary teo hoe: zara raha misy 1938kg ny volamena voarakitry ny ANOR (Agence Nationale de la Filière OR) fa naondrana ara-dalàna, kanefa ny tonga any Dubai 10 taonina. . Ireo orinasa goavana na sokajiana ho “grandes mines” ihany hatreto no hita taratra ny tosika ara-toekarena entiny, dia i Ambatovy, QMM, raha toa ka io vizana noho ny krizy io ny Kraomita Malagasy. Raha handray, ohatra, isika dia nampiditra 43,4 tapitrisa dolara (160 miliara Ar eo ho eo) tao anatin’ny kitapombolam-panjakana ny orinasa Ambatovy ny taona 2018, mamelona mpiasa hatrany amin’ny 9900, araka ny antontan-kevitra momba io orinasa io. Tena afaka mahavita zavatra isika raha tsara tantana sy tena ara-dalàna ny resaka fitrandrahana harena an-kibon’ny tany. Nitondra inona ho an’ny firenena, ohatra, ny fitrandrahana safira tamin’ny fomba gaboraraka (extraction sauvage) tao Ilakaka izay efa ho 30 na 35 taona? Mba ohatrinona isan-taona no nampidiriny tao anatin’ny kitapombolam-panjakana? Inona ny fampandrosoana mba nentiny kanefa ny toerana potika tanteraka? Ny Sri Lankais sy mpibizina no nahazo tombony, fa raha izay tamberiny ho an’ny firenena aorta. Nafana, ny fitakiana ny fialan’ny sinoa tao Soamahamanina ny taona 2016, nidiran’ny mpanao politika an-tsehatra, fa tato aoriana nahazo laka ihany ny sinoa tany Vohilava Mananjary. Asa mba inona no tamberiny? Ireo “investisseurs sac à doc” na mpampiasa vola tonga handroba harena manao fifanarana sy mandoa “écolage” amin’ny manam-pahefana no betsaka, rehefa tena dinihina. Mila mandinika lalina isika.

 Toky R

Dans la même rubrique

18-avril-2024

1400 miliara Ariary eo, ankoatran’izay efa nampidirina anaty kitapom-bolam-panjakana, ny hetra tsy tafiditra,

Card image cap
18-avril-2024

Niresaka tamin’ny sehatra tsy miankina foana ny fitantanana ankapoben’ny hetra na DGI,

Card image cap