Marotaolana Kaominina Antsiafabositra Distrikan'i Maevatanàna ny ekipan'ny Ministeran'ny Harena an-kibon'ny Tany tamin'ny alalan'ny ''Direction Regionale des Mines Betsiboka sy ny "Unité de la Police des Mines" afak'omaly Alahady 19 Jolay 2026. Teratany Sinoa 3 lahy nitrandraka volamena tsy ara-dalàna nampiasa fitaovana lehibe tsy nahazoana alàlana no tratra ka nogiazana avy hatrany ireo fitaovana ary nentina hatao fanadihadiana ao amin'ny Borigadin'ny Zandarimariam-pirenena Maevatanana kosa ireo Sinoa tratra. Heverina fa mbola misy namana hafa mbola miriaria any izy ireto ka karohina ihany koa noho izao asa tsy fanarahan-dalàna izao. Nanamafy moa ireo tompon'andraikitra eo anivon'ny Ministeran'ny Harena An-kibon'ny Tany fa misokatra amin'ny fifampiraharahana izy ireo ho an'ireo izay tena vonona hanara-dalàna amin'ity seha-pihariana fitrandrahana harena an-kibon'ny tany ity saingy kosa tsy handefitra velively amin'ireo minia mandika lalàna sy tsy manana fahazoan-dàlana hitrandraka na tera-tany Malagasy io na tera-tany vahiny.
Nangonin'i Pati
Légende : Ireo Sinoa 3 voasambotra sy ireo fitaovana nampiasainy !