airtel

Toekarena

21-janv-2021

Toekarena

Fizahan-tany Mampiaka-peo ireo mpiseradia

Sample post image

Anisan'ny sehatr`asa mizaka ny tsy eran'ny aina ary potika tanteraka noho ny

21-janv-2021

 

 

 

fiparitahan'ny valanaretina Covid-19 maneran-tany ny tontolon'ny fizahantany. Saika ny 90%n` ireo mpisehatra eto Madagasikara no niditra fatiantoka tanteraka ary anisan` izany ireo mpiseradia. Omaly dia nifampitoana nangataka fanazavana amin` ny fanampiana tokony nataon` ny minisiteran`ny Fizahantany tetsy Tsimbazaza ireo mpisera dia sasantsany eto Antananarivo. Nanomboka ny volana martsa 2020 hatramin` izao dia tena miady irery izy ireo satria tsy miainga mihitsy ny ity sehatra ity noho ny fikatonan` ny sisin-tany. Nambaran` izy ireo fa dia niandry am-pahendrena ny fanampiana azy ireo saingy lasa taraiky izany ka tsy nahandry intsony. Nisy ny tafa niarahan` izy ireo tamin`ireo tompon’andraikitra sasantsany omaly, araka izany. Nilaza anefa ny minisitera fa mety tsy nifandray ny serasera teo amin` ny roa tonta satria nisy ny naoty nivoaka ny herinandro lasa teo: Hisy fiofanana ho an` ireo mpisehatra eo anivon` ny fizahantany hatao ato ho ato ary anisan` izany ny mpisera-dia. Mizara roa ny fiofanana: informatika sy teny vahiny, ny voalohany; ary fiofanana mahakasika ny Covid-19 (fihetsika atao rehefa sendra misy marary, na ireo tokony atao eny amin`ny seranam-piaramanidina…) ny faharoa. Ka ao anatin` ireo fiofanana voalaza ireo no hanomezana tambin-karama ho an`ireo mpisera-dia. Nambara moa fa ireo fomba ireo no hahafahana ihany koa manao sivana an` ireo mpiseradia eto Madagasikara izay haharitra 12 volana. Nitsipaka ny fiofanana voalohany avy hatrany ireto mpanao fitakiana. “Matoa efa tao anatin` ity sehatra ity dia efa manana ireo fitaovana rehetra entina iasana amin` izany toy ny karatra maha-matihanina, ny “agreement” na fitaovana ara-tsaina aza izany. Ho an`ireo mpisehatra vaovao toy ireo mpianatra nahavita fianarana izany dia mety. Izahay noana indray be no hiofana? Tsy nahatonga mpanjifa teto Madagasikara izahay raha tsy nahafehy ity asa ity. Raha ny fiofanana ho an` ny valanaretina Covid-19 kosa dia ekenay” hoy ny mpisera-dia iray. Raha ny fanadihadiana natao dia fantatra fa efa nisy fampanantenana natao tamin` ireto mpisera-dia ireto tamin` ny alalan` ny tetikasa Fihariana sy Miharina. Efa nameno ireo antontan-taratasy samihafa mba hisitrahana izay vola afaka indramina hanaovana tetikasa fanampiny. Nambara tamin` izany fa afaka valo volana aorian` ny fahazoana ny vola ny tsirairay no mamerina tsikelikely ny vola ao anatin`ny roa taona saingy hatramin` izao dia tsy nisy tohiny intsony. Etsy ankilany, ny ministera mpiahy dia manamafy fa tsy manaraka ny dingana ihany ny fitakiana ataon` ireto mpisera-dia satria ny fikambanana eto Antananarivo ihany, izay mahatratra 300 mpiseradia, no nanao fangatahana ka tsy maintsy atao manerana ny nosy ny fangatahana. Mahakasika ny fanampiana avy amin` ny Banky Iraisam-pirenena, izay natokana hanampiana ny sehatry  ny fizahantany sy mitentina 33 tapitrisa dolara, dia nanambara ny minisitera fa tsy mbola nokitihana io vola io ary amin` ny alalan` ireo fiofanana ireo no saika hanatanterahana izany. Nilaza hatrany ny minisitera fa efa nampahafantarin` ny “Fédération Nationale des guides” (FNG) sy ny “Confédération du Tourisme à Madagascar” (CTM) ka anjaran` ireto farany no nampita ny hafatra. Ny sabotsy izao moa no hanatanteraka fivoriambe ny fikambanan` ny mpisera-dia ka aorian` izay no hivoaka ireo dingana manaraka amin` ny fitakiana ataon` izy ireo.

 

Marigny A.

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Nahazo ny anjarany tamin’ny milina ODOF ihany koa ny Kaominina Ambohimangakely,

Card image cap