airtel

Toekarena

18-avril-2023

Toekarena

Fizahantany sy ny nomerika Miara-miombon’antoka amin’ny ITM 2023 ny Orange

Sample post image

Mitondra anjara biriky amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany amin’ny alalan’ny fitondrana tohana ho an’ny ITM na

18-avril-2023

Tourism Fair of Madagascar 2023 ny orinasa Orange Madagascar, izay fantatra eo amin’ny sehatry ny fifandraisan-davitra. Hotanterahina ny 15-18 jona 2023 izao eny amin’ny CCI Ivato ity ITM 2023 ity, ka isan’ny mpiara-mimbon’antoka izy. Lohahevitra amin’ity andiany ity ny hoe : « La durabilité et la digitalisation dans le tourisme ». Hanomezan-danja ny fizahantany maharitra sy tompon’andraikitra ihany koa io. Anisan’ireo ezaka entin’ny ONTM ampian’ny Minisiteran’ny fizahantany ary ireo mpiara-miombon’antoka hisintonana ny mpizahatany iraisam-pirenena ho avy eto Madagasikara io. Hisy ny fametrahana ny “"Digital Space&quot” sehatra ahafahan’ny mpandraharaha amin’ny fizahantany misitraka ny tontolon’ny nomerika. Amin’ny maha mpiara-miombon’antoka amin’ny fanatanterahana io hetsika lehibe ara-pizahantany io ny Orange, dia notontosaina omaly 17 aprily ny fiaraha-miasa teo amin’ny Filohan’ny filankevi-pitantanana ny Ofisim-pirenena momba ny fizahantany (ONTM) Jonah Ramampionona sy ny Tale ara-barotry ny Orange Madagascar Carine Lefriec, izay notronin’ny Minisitry ny fizahantany Joël Randriamandranto. Afaka hisitraka hisitraka pitsopitsony maro mikasika “digital” ampiharina amin’ny fizahantany ny mpitsidika. Tafiditra anaty fandaharam-potoana ihany koa adihevitra misokatra am-polony mikasika ny “digital” sy lohahevitra avo lenta mandritra izay 4 andro hanaovana fampiratiana izay.
Nangonin’i Toky.R
 

Dans la même rubrique

22-sept-2023

Tanterahina nanomboka omaly Alakamisy 21 Septambra haharitra 4 andro eny amin’ny Forello Expo Tanjombato ilay hetsika

Card image cap
22-sept-2023

Manamafy ny fanarahamaso ny fitsarana ara-bola i Etazonia. Nisy noho izany ny fanoloran’ny vahoaka sy ny

Card image cap