airtel

Toekarena

16-août-2022

Toekarena

FMI Malagasy “Fampiakarana 200% ny sandam-bola ihany…”

Sample post image

Omenay ny fitondrana ny vahaolana manoloana ny olam-pirenena ankehitriny, hoy ny antoko politika Fahefa-mividy izao no ilain’ny Malagasy na FMI Malagasy.

16-août-2022

Tsy mila seza izahay, hoy ny filohan’izy ireo, Jean Jacques Ratsietison. Ataony io dia tsy manao politika intsony izahay. Mila tanana izy dia ampianay. Satria mbola tsy mihetsika izy aloha izao dia manangon-tsonia izahay. Ny fanangonan-tsonia dia fangatahana fampidinana vidim-piainana ho an’ny ampahefany. Ampiharo io dia foano ny MID. Ampiakarina 200% ny sandam-bola. Dia mahazo aina ny malagasy. Izay fotsiny no hangatahanay. Misy olona tsy mpanao politika ary tsy tia politika hatramin’izay fa resy lahatra amin’izany dia nametrahanay ilay taratasy io ka izay olona maniry hanao sonia dia afaka manatona azy ireo etsy ampitan’ny Galana Ambodivona manao sonia dia afaka maka taratasy mampanao sonia any amin’izay misy azy. Miantso ny mpanohitra izahay hoe andao hanaovana fikaonandoham-pirenena ity dia atolotra ny filoham-pirenena dia ho hita eo. Satria mba efa azo antoka fa hisy fehin-kevitra tena hivoaka amin’izay fa raha ny ankoatran’izay dia tsy hisy na inona na inona hivoaka ao na hikaon-doha amin’ny rindrina eo aza satria efa samy nitondra daholo ireo mpanohitra ireo, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique