airtel

Toekarena

02-sept-2021

Toekarena

Foara ekomomika sy ara-barotra Hotanterahina manerana ny Nosy mandritra ny 4 andro

Sample post image

Hotanterahina manerana ny Nosy manomboka ny 28 oktobra ho avy izao haharitra 4 andro ilay foara ekonomika sy ara-barotra, karakarain’ny Madavision.

02-sept-2021

 Omaly no nampahafantatra ny mpanao gazety fanindroany ny fisian’ny hetsika izy ireo no sady naka ny hetahetan’ireo tanora mpandraharaha marobe ihany koa. Fantatra nandritra izany fa natao indrindra hanampiana ireo mpandraharaha vaventy, madinika sy salantsalany ity hetsika ity. Faritra 23 isa no hanatanteraka izany miaraka mandritra ny hefarana ka ankoatra ireo manana olana amin’ny fitadiavana mpamatsy vola sy mpanolo-tsaina mba hahafahana mandroso dia ho afaka hivarotra sy hampahafantatra ny vokatra vokariny ihany koa izy ireo. Hisy ny fampahafantatra ny momba ny Fitondram-panjakana mandritra izany toy ireo andrim-panjakana misy sy ny asany avy…mba hahafahan’ny tsirairay manitatra ny fahalalany. Raha araka ny fanazavan-dRamanantsoa Harilala tompon’andraikitra eo anivon’ny Madavision moa dia natao indrindra hanatsarana ny toekarem-pirenena no sady hanampiana ny mpiara-belona ny hetsika tahaka izao.
Pati

 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

1400 miliara Ariary eo, ankoatran’izay efa nampidirina anaty kitapom-bolam-panjakana, ny hetra tsy tafiditra,

Card image cap
18-avril-2024

Niresaka tamin’ny sehatra tsy miankina foana ny fitantanana ankapoben’ny hetra na DGI,

Card image cap