airtel

Toekarena

26-nov-2021

Toekarena

Foara ekonomika ho an’Analamanga Nanomboka omaly etsy Mahamasina

Sample post image

Nanomboka omaly etsy amin’ny kianjan’i Barea etsy Mahamasina haharitra 4 andro ilay foara ara-toekarena karakarain’ny Madavision.

26-nov-2021

 Ho an’ny eto amin’ny faritra Analamanga manokana dia tranoheva manodidina ny 250 isa no mandray anjara amin’izany ankoatra ireo any amin’ny faritra 22 isa. Tonga nanokatra izany tetsy Mahamasina omaly ny filohan’ny Antenimieran-doholona Herimanana Razafimahefa notronin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra… Nambarany fa anisan’ny ainga vao hahafahantsika manarina ny toe-karem-pirenena indray ny hetsika tahaka izao, indrindra taorian’ny nandalovan’ny valan’aretina COVID 19. Mendrika ho tohanana sy karakaraina izany raha araka ny fanazavany no sady hanomezana sehatra ny mpandraharaha ihany koa. Marihina moa fa anisan’ny tanjon’ny hetsika ihany koa ny hanomezana vahana ireo mpandraharaha kely madinka hatrany ambany ravinahitra mba ho hitan’ny rehetra ny traikefa sy ny fahaiza-manaony ka hahafahany mitady lalam-barotra. Karazan’entana maro vita amin’ny akora maro samihafa no hita mandritra ity foara ity izay marihina fa tena maneho ny maha-Malagasy avokoa.
Pati
Legende : Betsaka ny saosisy sy koba avy any Talata eny amin'ny foara ara-toekarena sy ekonomika !
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nifanakalo traikefa tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny any Maroc ny ekipan’ny ODOF.

Card image cap
23-avril-2024

Mbola mitohy ny fisoratana anarana amin’ny loka Pierre Castel. Hifarana ny 24 aprily ho avy izao ny andiany amin’ity 2024 ity.

Card image cap