airtel

Toekarena

16-sept-2022

Toekarena

Foaraben’ny hazandrano II Hetsika natao hanoroana hevitra ireo mpamokatra

Sample post image

Nosokafana tamim-pomba ofisialy omaly tetsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina haharitra telo andro ilay foaraben’ny hazandrano andiany faharoa, karakarain’ny Ministeran’ny jono.

16-sept-2022

Haharitra telo andro izany ka anisan’ny tanjona ny hahafahana manoro hevitra ireo mpamokatra ho entina mampitombo hatrany ny vokatra. Nambaran’ny Minisitry ny Jono Mahantante Paul bert nandritra izany fa anisan’ny toro-hevitra nampitain’ny FAO izay mpanohana sy mpiara-miombon’antoka amintsika ny hahafahana mampitombo hatrany ny vokatra any anaty ranomasina sy ranomamy. Toraka izany koa ny fomba fandrahoana azy mba hisy vokany ara-pahasalamana ankoatra ny fomba fihinanana azy. Ho antsika eto Madagasikara dia mbola vitsy ireo mahafehy izany. Tsy betsaka ihany koa ny vokatra trondro hohanin’ny olona noho ny halafosany antony hampitombo hatrany ny vokatra mba hoity vokatsoa avokoa ny isan-tokantrano. Trano eva am-polony no mandray anjara amin’ity hetsika ity ka ankoatra ny trondro dia hita ao ihany koa ireo karazana hazandrano toy ny foza, ny makamba….izay tafiditra ao anatin’ireo sakafo matsiro ankafizin’ny olona avokoa.
Pati
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

miainga any amin’ny fanisana na «comptabilité» ny fanatsarana ny fampidiran-ketra,

Card image cap