airtel

Toekarena

20-déc-2023

GEFP-Vondron’ny orinasa afak’haba

Tsy naloan’ny Fanjakana ny volan’izy ireo 71 miliara Ar

Sample post image

Lasibatra hatrany ireo mpisehatra ara-toekarena eto Madagasikara.

20-déc-2023

Mahatratra 71 miliara ny volan’ny orinasa tsy naloan’ny Fanjakana tao anatin’ny 15 volana, raha ny fanazavana nataon’ny GEFP (Groupement des Entreprises Franches et Partenaires) na ny Vondron’ny orinasa afak’haba ny andron’ny omaly. Anisan’ny anton’io ny tsy famerenana ny TVA (Taxe sur la valeur ajoutée), raha ny fanazavan’ny Filohan’ny GEFP teo aloha Atoa Herilanto Rakotoarison. Raha ho an’ny GEFP manokana dia mahatratra 110 eo ny mpkambana, ary efa betsaka ny mpikambana mety hiditra amin’ny fitokonana, raha ny fanazavana. Efa hatrany amin’ny 2021 no tokony hojerena manokana satria betsaka ny ambana, toy ny tsy fahafahana manondrana noho izay olana izay, raha ny fanamarihana. « Tery ben y lafiny ara-bola, tokony jerena akaiky io TVA io, tokony jerena ihany koa ny lafiny sosialy», hoy Rtoa Beatriche Chan Filohan’ny GEFP vaovao. Ankoatra ny olana amin’ny fahatapahan-jiro lavereny, izay tsy mbola ahitan’ny mpitondra fanjakana vahaolana mandrak’androany, dia mbola lasibatra amin’ny tsy fandoavan’ny Fanjakana ny vola tokony hiverina aminy ireo orinasa afak’haba. Ny orinasa afak’haba izay fa ireo vondrona hafa tahaka ny sehatry ny solika ihany koa dia mety ho misy tranga tahaka izao, izay any amin’ny vahoaka no mety hiantraikany avy eo.
Toky R

 

Dans la même rubrique