airtel

Toekarena

11-nov-2026

Hakarina ny

12% ny fampidiran-ketra

Sample post image

Hanamafy ny fangaraharana sy

11-nov-2026

tamberin’andraikitra ny Fanjakana
Ao anatin’ny ezaka hanatsarana ny fitantanana ny volam-bahoaka sy ny fampidiram-bola ho an’ny fanjakana, nantsoin’ny Filohan’ny Fanavaozana na ny PRRM Kolonely RANDRIANIRINA Michaël teny Iavoloha ireo Tale Jeneraly sy Tale eo anivon’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, notronin’ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola RAMIARISON Herinjatovo Aimé ary ny Fitsarana misahana ny Kaonty (Cour des Comptes). Nifantoka tamin’ny fanombanana ny zava-bita sy ny lesoka mbola misy ny fihaonana. « Inona no tokony hatao mba hampiakarana izany? Inona ny lesoka tsy nety teo aloha? Inona no azonay ampiana anareo mba hahatratrarana izany tanjona izany? », hoy ny PRRM. Napetraka ho isan’ny tanjona lehibe ny hampiakatra ny fampidiran-ketra na "taux de pression fiscale" ho 12% amin’ny taona ho avy. 18% izany any amin’ireo firenena mitovitovy amin’i Madagasikara ka efa ho fandrosoana lehibe ny fahatrarana ny 12%, raha ny nambaran’ny PRRM. Tsara ny manamarika fa mikendry ny hahatratra fampidiram-bola anatiny avy amin’ny hetra mitentina 6,2%-n’ny Harin-karena Faobe (PIB) ny Foibem-pitantanana ny hetra na ny DGI. Vinavinainy hahatratra 6.923,20 miliara ariary ny vola ho voaangona amin’ny ankapobeny, izay mihoatra 701,50 miliara ariary na 11,28% raha oharina amin’ny LFI 2026. Ho an’ny taona 2027 manokana, kasain’ny DGI ny hanangona 1.038,08 miliara ariary, raha 966,27 miliara ariary izany tamin’ny taona 2026, ka mampiseho fitomboana 71,81 miliara ariary. Etsy ankilany, hodinihin’ny Antenimiera ny PLFI 2027. Io no mametraka tanjona hahatratrarana 12% ny tahan’ny fampidiran-ketra, raha manodidina ny 10% izany amin’izao fotoana izao. Io taha ambany io anefa no antony mahatonga fahaverezam-bola manodidina ny 900 miliara ariary isan-taona ho an’ny fanjakana. Marihina fa mbola tsy tratra hatramin’izay io tanjona 12% io, na dia eo anelanelan’ny 15% sy 18% aza ny salanisan’ny firenena afrikanina. « Ny 12% dia tsy midika velively fa tsy mbola manao ezaka i Madagasikara. Miandalana ny fanarenana ary atao tsikelikely izany », raha ny nambaran’ny Minisitry ny Toekerana sy ny fitantanam-bola Ramiarison Herinjatovo Aimé.
TSY MAINTSY HAMPITOMBOINA NY FANGARAHARAHANA
Anisan’ireo paikady hamaliana izany ny fanavaozana ny fomba fiasa sy ny fampiasana teknolojia vaovao, toy ny "plateforme Torohy" eo anivon’ny fadintseranana, ny "wallet", ny "paiement digitalisé" ary ny "i-salohy" eo amin’ny tahirim-bolam-panjakana. Hampiharina ny "contrat de performance" sy ny "convention d'objectif" mba handrefesana mazava ny vokatra takiana amin’ny sampan-draharaha tsirairay. Naseho nandritra ny tatitra ireo vokatra efa tratra teo amin’ny fampiasana ny volam-panjakana, ahitana ny vatsim-pianarana sy ny fampitaovana ny mpianatra, ny fananganana ny "fly over", ny lalana RNS5 ary ireo fotodrafitrasa hafa. Nambaran’ireo tomponandraikitra fa nihena ny tranga "doublons" ary nihatsara ny fanaraha-maso ny fandaniana. Nohamafisin’ny PRRM anefa fa tsy maintsy ampitomboina hatrany ny mangarahara amin’ny fitantanana ny volam-bahoaka. « Anjaran’ny Vahoaka Malagasy ny mitsara sy manombana ny ezaka ataontsika. Ny ampahany betsaka amin’ny fampidiram-bola ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana io dia ianareo izao no mampiditra azy », hoy izy. « Andao mba ho tonga saina isika, asehoy ny fitiavan-tanindrazana. Andao mba hiala amin’io fangatahana famatsiam-bola isan'andro io » , hoy hatrany ny PRRM. Momba ny fiainam-pirenana, notsipihiny fa ny Fikaonandoham-pirenena dia rehareha ny mahita hoe volan'ny Malagasy madiodio no hikarakarana izany, mba hisorohana ny mety ho fitsabahan’ny vahiny amin’ny fizotry ny dinika sy ny fanapahan-kevitra horaisina. Nanao antso tamin’ireo tomponandraikitra ihany koa izy mba hanohana ny ezaka sy ny fahasahiana asehon’ny Fitondram-panjakana amin’ny ady amin’ny kolikoly, izay tsy mijanona eto an-toerana ihany fa tafiditra hatrany amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Nambarany fa mety hiteraka fanakorontanana na « déstabilisation » izany ady izany ka ilaina ny firaisankina sy ny fanohanana avy amin’ny rehetra.
Toky R

 

 


 

Dans la même rubrique