airtel

Toekarena

31-mars-2023

Toekarena

Harena an-kibon’ny tany Miverina ny fanondranana volamena

Sample post image

Nankatoavin'ny filan-kevitry ny minisitra ny fanafoanana ny fepetra nampihantona ny fanondranana ny volamena taorian'ny fampandaniana ny didim- panjakana mikasika ny fitantanana ny volamena (régime de l'or).

31-mars-2023

Raha tsiahivina, efa ny oktobra 2020 no naaton’ny Fanjakana io, saingy nirarakompana ny trafika taorian’izay, eny fa hatramin’ny volamena tany anaty Minisitera aza nanjavona nivadika korotam-by. Volamena 3.051 kilao monja no voaporofo fa naondrana ara-dalàna raha ny tarehimarika tamin'ny taona 2018, kanefa araka ny fanadihadiana natao tany Dubaï, dia tafiakatra hatrany amin'ny 12 ka hatramin'ny 15 taonina ny volamena naondrana antsokosoko avy eto Madagasikara, hoy ny fitondrana. Nambara fa mitenti-bidy teo amin'ny 945 tapitrisa dolara teo ny vola very noho izany, ka nakatona aloha hijerena paikady. Milaza ny Fanjakana Rajoelina fa nakatona, saingy ny desambra 2022 teo dia namoaka tatitra ny “Cour des comptes” fa 2,5 taonina ny volamena nivoaka an-tsokosoko teto Madagasikara tamin’ny taona 2021, ary 4,5 taonina nanomboka ny 2018-2021, ka mitentina 780 miliara Ariary ny vola vahiny tsy tafaverina teto. Omaly, nambara, fa narafitra ao anatin'ny didim-panjakana izay noraisina ireo avy ny teboka lehibe misongadina ao anatin'ny fanavaozana lehibe izay apetraka manomboka izao toy ny: Fanamafisana ny fepetra sy ny mason-tsivana hahazoan-dalana manangana « comptoir de l'or» mba tena hikendry ireo mpandraharaha matihanina sy ara- dalàna eo amin'ny sehatry ny volamena; Fanamafisana ny fepetra takiana amin'ireo antsoina hoe « promoteur du comptoir » sy ny fanarahamaso azy ireo mba hialana amin'ny hosoka maro sy ny fisian'ny mpindrana anarana « prête-nom» eo amin'ny fanondranana; Fametrahana ny tsy maintsy hamerenana ny vola eto Madagasikara (rapatriement de devises) sy ny tsy maintsy hitondrana ny vola eo amin'ny tsena iraisan'ireo banky amin'ny fifanakalozana ara-bola (marchés interbancaires de devises); Fametrahana fepetra sy sazy ara-panjakana ho an'ireo mpandraharaha tsy mamerina ny vola vidina volamena eto Madagasikara; Fanamafisana ny fepetra hisian'ny "traçabilité" ho an'ny volamena, hahafantarana hoe avy taiza marina no niavian'ny volamena ary taiza avy ny lalana nandalovany mandra-pahatonga any amin'ny toerana hanondranana azy,… Dia ho hita eo indray ity hoe fanarahamaso ity, hampihena ny trafika ve sa .. ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

1400 miliara Ariary eo, ankoatran’izay efa nampidirina anaty kitapom-bolam-panjakana, ny hetra tsy tafiditra,

Card image cap
18-avril-2024

Niresaka tamin’ny sehatra tsy miankina foana ny fitantanana ankapoben’ny hetra na DGI,

Card image cap