airtel

Toekarena

17-oct-2022

Toekarena

Harilala Ramanantsoa “Apetraho ny rafitra hanamorana ny fandraharahana eto ”

Sample post image

5 taona teo izay no nanomboka niresahana sy nanomezana sehatra ny fandraharahan’ny vehivavy teto Madagasikara, hoy ny mpandraharaha, Harilala Ramanantsoa.

17-oct-2022

Ankapobeny izy talohan’izay, hoy izy. Rehefa nandeha ny fanatontoloana sy ny fanadihadiana hoe mihoatra ny lehilahy na sahala amin’ny lehilahy ny mpandraharaha vehivavy eto amintsika ary tsy afa-miala amin’ny fampandrosoana ara-toekarena eto amin’ny firenena ka nanomezana sehatra bebe kokoa ny mpandraharaha vehivavy hananany izay andraikitra izay dia mbola tokony atao sy tsara atao angamba ny miresaka foana momba ny fandraharahan’ny vehivavy, mandrisika ny vehivavy hanana fahasahiana. Ny hitantsika an-davan’andro, any ambanivohitra, dia vehivavy maro mivarotra, mibaby zaza eny amoron-dalana eny. Miaritra hatsiaka, tena hoe mikafiry mba hampidi-bola ao an-tokantranony. Efa fandraharahana ireny. Hita taratra fa ny vehivavy dia manana faharetana, finiavana tsy latsa-danja amin’ny lehilahy mba hitondrana fanatsarana eo amin’ny fiainan’ny fianakaviany. Tsy azo atao ambanin-javatra ireny. Heveriko fa mifandanja, raha eto Madagasikara, ny lehilahy sy vehivavy mandraharaha. Tsy hita any amin’ny sehatra ara-dalana na “formel” fotsiny izy ireny fa miandahy miambavy ankehitriny ny fitadiavana sy fandraharahana eto Madagasikara raha ny hevitro manoloana izao fahasarotan’ ny fiainana izao. Ny hany mety hahatrarana tanjona hananan’ny vehivavy fahalalahana mandraharaha kokoa dia ny fametrahana rafitra ahafahan’izy ireny mahazo traikefa, torohevitra mba ho tena matihanina ny sehatra handraharahany. Ny ankamaroan’ny mpandraharaha eto Madagasikara dia manandrakandrana aloha dia rehefa hitany fa mety dia miditra ao amin’ilay sehatra amin’izay izy. Rehefa tena miditra ao anefa izy dia tsy ampy ny fahalalany ka tsy afa-mifanehitra amin’ny mpifaninana aminy izy, hany ka tsy todiny hatramin’ny farany ilay izy fa 2 taona dia manova zavatra hafa indray. Mandia 5 taona anefa ianao vao tena mari-pototra ny fandraharahanao. Tsy mbola tena manana izay rafitra manohana orinasa madinika vao misandratra izay anefa isika. Mirona bebe kokoa amin’ny fandraharahana ny tanora ankehitriny, indrindra, ny vehivavy satria mahatsapa fa tsy ampy intsony ny karama isam-bolana. Mila famoronan-karena isika. Mila mitady fomba hamoronana asa. Vary sy rano ny fandraharahana sy famoronana asa ka mampirisika hatrany ny fitondrana hoe hampetrao ny rafitra hanamorana ny fandraharahana eto Madagasikara, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

1400 miliara Ariary eo, ankoatran’izay efa nampidirina anaty kitapom-bolam-panjakana, ny hetra tsy tafiditra,

Card image cap
18-avril-2024

Niresaka tamin’ny sehatra tsy miankina foana ny fitantanana ankapoben’ny hetra na DGI,

Card image cap