airtel

Toekarena

05-mai-2022

Toekarena

Harilala Ramanantsoa “Mafy ny adin’ny mpandrah araha”

Sample post image

Nangataka taminay mpitantana orinasa avy amin’ny sehatra tsy miankina ny filoham-pirenena, hoy ny mpandraharaha filohan’ny fikambanana “Entreprendre au féminin”, Harilala Ramanantsoa,

05-mai-2022

ny amin’ny mba hijerena akaiky ny azo atao ahafahana manondrotra ny karama fara fahafakeliny. Ilay 220.000 ariary izay efa tapaky ny sendikan’ny mpiasa sy ny mpitantana na “patronat”. Rehefa nandeha, hoy izy, ny adihevitra dia enjakenjana ihany ny fifanakalozana tao. Nanome toky moa ny filoham-pirenena fa tsy ho vola hivoaka amboniny io 30.000 ariary io fa vola efa tokony alohany amin’ny latsakemboka isan-karazany ihany. Tsy arotsany amin’ny fanjakana izany io fa alohany mivantana any amin’ireo mpiasa. Nanaiky moa ny filoham-pirenena ary nilaza hijery miaraka amin’ny tekinisianina ny hahafahana mametraka izany amin’ny fomba ofisialy. Raha ny fanambaran’ny minisitry ny fitantanam-bola rahateo ihany koa dia efa nikaon-doha ny andaniny ny amin’ny fomba hanatanterahana izany. Zava-tsoa ho an’ny mpiasa izay. Mbola andrasana kosa anefa hoe mandra-pahoviana no hizakan’ny fitondram-panjakana izay 30.000 ariary izay. Ny zava-dehibe aloha dia hoe tsy afa-miala amin’ny fiaraha-miasa amin’ny fanjakana ny sehatra tsy miankina ary tokony hiady ny tombontsoany mba hahafahany mandraharaha am-pilaminana ka raha manolo-tanana ny fitondram-panjakana dia anjaran’ny sehatra tsy miankina no manara-maso hoe tanterany tokoa ve izay? Anjaranay koa ny miady ho an’ny mpandraharaha rehetra, indrindra, ny mpandraharaha madinika sy salantsalany. Ny mety olana kely amin’izao dia ho an’ireo orinasa tsy mandoa latsakemboka amin’ny fanjakana ka mety hitaky aminy ny mpiasany ny hiakaran’ny karamany fara fahakeliny ho tonga 250.000 ariary. Anjaran’ny mpampiasa sy ny mpiasa indray moa no mifampidinika an’izay. Maro ny teboka noresahana tamin’ny filoham-pirenena toy ny resaka hetra isan-karazany, ny herinaratra, ny olan’ny haba, ny olan’ny fiakaran’ny vidin’entana. Nisy vahaolana naroson’ny filoham-pirenena ary afaka 3 herinandro, hoy izy, dia mbola hihaona indray izahay hametrahana tsara ny fepetra sy paikady momba ireo teboka maromaro ireo satria mafy ny adin’ny mpandraharaha, hoy hatrany izy.
J. Mirija
 

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Nahazo ny anjarany tamin’ny milina ODOF ihany koa ny Kaominina Ambohimangakely,

Card image cap