airtel

Toekarena

08-juin-2023

Toekarena

Hazovato Forello Expo Hikarakara « salon » telo hanampiana ireo mpandraharaha

Sample post image

Tena sahirana ireo mpandraharaha Malagasy, indrindra taorian’ny nisian’ny valan’aretina COVID 19 teto amintsika. Tsy vitsy ireo nanakatona ny orinasany ankoatra ireo zara raha velona sisa saingy mitsipozipozy.

08-juin-2023

Izany indrindra no antom-pisian’ireo karazana salon miisa telo karakarain’ny Hazovato Forello Expo eny Tanjombato. Hanomboka amin’ny foara iraisam-pirenena momba ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono izany izay hotanterahina ny datin’ny 21 ka hatramin’ny 24 Septambra ho avy izao. Toraka izany koa ny salon momba ny trano fonenana hatao ny 19, 20, 21 ary 23 oktobra ho avy izao sy ny salon iraisam-pirenena momba ny fitanterana sy ny manodidina azy hotontosaina ny 16,17 ary 18 novambra ho avy izao. Raha araka ny fanazavan-dRamanantsoa Harilala, anisan’ireo mpikarakara dia natokana ho an’ireo efa matihanina ary hahafahana mampahafantatra indray ny tontolo manodidina ireo sehatra telo ireo ny hetsika. Toraka izany ny mba hahafahan’ireo mpandraharaha mamerina mampahafantatra ny fisiany sy ny vokatra vokariny indray hahafahan’ireo mpanjifa mijery izay orinasa azony hiarahany miasa sy hametrahany ny fitokisany. Niezaka ny mpikarakara raha araka ny fanazavany hatrany ary manana tanjona hanome sehatra ny mpandraharaha matihanina rehetra hatramin’ireo madinika sy vao misandratra. Hanome vahana amin’ny fifandraisana ara-barotra amin’ireo Nosy Indiana izy ireo mandritra izany mba hahafahana mampahafantatra an’i Madagasikara sy mifampizara traikefa ihany koa. Miisa 400 ireo trano eva azo raisina amin’izany raha herinaratra azo avo amin’ny herin’ny masoandro avokoa no hohampiasaina. Ny hazovato Forello ihany koa mantsy dia mametraka ho laharam-pahamehana ny fiarovana ny tontolo iainana eto amintsika.
Pati
Legende : Ireo mpikarakara nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

miainga any amin’ny fanisana na «comptabilité» ny fanatsarana ny fampidiran-ketra,

Card image cap