efa ho adin’ny 3”, “sao dia mba tsy rariny intsony ry JIRAMA” sy ny tahaka izany rehetra no matetika hita eny amin’ny rindrin’ny tambazotran-tseraseran’ny mpanara-baovao maro eny. Ny herinaratra moa no tena voateny matetika, indrindra, ety an-drenivohita satria saika miankina amin’izany ny ankamaroan’ny asa aman-draharaha misy ety. Ny resaka rano no somary mba nangingina fa na izany aza dia efa naman’ny fahazarana ho anay koa ny fahatapahan’io, hoy ny mponina amin’ireo fokontany sasany toy ny eny Ambatomaro sy Amboditsiry eny. Namely mafy tamina faritra maro indray omaly ny delestazy. Mampanahy mafy ny herinaratra sy ny tontolony eto Madagasikara mba tsy hilazana hoe ny angovo sy ny tontolony. Efa tamin’ny fiandohan’ny fitondrana Rajaonarimampianina no nanomboka vaky ambatolampy izany olan’ny orinasa Jiro sy rano Malagasy izany. Tamin’izany no efa nanomboka ny adihevitra fa diso tranainy ireo fitaovana ary tsy maharaka intsony ny lafiny famatsiana angovo. Nandeha koa ny fifanaraham-piaraha-miasa samy hafa izay mbola nampiady hevitra toy izay niarahana tamin’ny “Symbion Power” sy “Madagascar oil” saingy voalaza ho mamofompofona varotra tanindrazana moa ilay izy tamin’izany. Mipetraka ankehitriny ny fanontaniana tsy mety hahazoana valiny mahafa-po. Mety mbola ho avotra ve io JIRAMA io ?
J. Mirija
1400 miliara Ariary eo, ankoatran’izay efa nampidirina anaty kitapom-bolam-panjakana, ny hetra tsy tafiditra,
Niresaka tamin’ny sehatra tsy miankina foana ny fitantanana ankapoben’ny hetra na DGI,