airtel

Toekarena

21-déc-2022

Toekarena

Hetsika « la Grande Braderie » Hanampiana ny mpandraharaha

Sample post image

Sahirana avokoa ny ankamaroan’ireo mpandraharaha Malagasy amin’ny ankapobeny. Tsy misy ny mividy ny entana noho ny tsy fahafahan’ny isan-tokantrano manjifa izany hany ka mihitsoka tsy afa-miodina ny volan’izy ireny,

21-déc-2022

indrindra hatramin’ny niparitahan’ny valan’aretina Covid 19 teto amintsika. Izany indrindra no antom-pisian’ilay hetsika La Grande Braderie de Madagascar etsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina izay hanomboka anio Alarobia 21 Desambra. Haharitra 4 andro izany ka anisan’ny tanjona ihany koa ny hanampiana ireo Renim-pianakaviana amin’ny fiantsenana amin’ny fiatrehana ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona izay tsy hiodinana etsy sy eroa intsony fa amina toerana iray dia hita avokoa ny zavatra ilaina. Ankoatra ny kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro dia misy ihany koa ny kilalao ho an’ny ankizy miampy fitafiana sy kiraro. Trano eva manodidina ny 150 isa no handray anjara amin’izany izay fantatra fa tsy maintsy mampihatra ilay fihenam-bidy 15% avokoa farafaharatsiny. Hentitra moa izy ireo ny amin’ny mety ho fisian’ireo mpangalatra sy mpangarom-paosy mikasa handroba ny mpiantsena raha toraka izany ihany koa ny fiambenana ny fiara.
Pati
Legende : Rtoa Harilala Ramanantsoa, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Madavision
 

Dans la même rubrique

02-mai-2024

Manome torolalana sy hampangarahara ny fanaovana raharaha ara-barotra ny PICM.

Card image cap