airtel

Toekarena

28-sept-2022

Toekarena

Hetsika «La Grande Braderiede Madagascar » Hanampiana ny mpandraharaha, hampiakarana ny toekarena

Sample post image

Tena difotry ny fahasahiranana ny mpandraharaha Malagasy indrindra taorian’ny nandalovan’ny valan’aretina COVID 19 teto amintsika.

28-sept-2022

Potika tamin’ny ampahany ny seham-pihariana ka saika vao manomboka miarina avokoa ny ankamaroan’ny maro amin’izao. Ho an-dRamanantsoa Harilala manokana dia anisan’ny vahaolana narosony ho an’ny Fitondram-panjakana ny fampihenana ireo entana avy any ivelany miditra eto amintsika. Tokony hojerena ihany koa hoy izy izay hahafahana mampihena ny vidin-tsakafo indrindra fa ny vidim-bary eny an-tsena mba hilaminan’ny tokantrano Malagasy. Farany izay tsy kely dia tokony hojerena ihany koa ireo mpandraharaha Malagasy hoy izy. Omena vahana ny vita Malagasy hampiakarana haingana ny toe-karem-pirenena. Anisan’ny antom-pisian’ny hetsika La Grande Braderie de Madagascar izay karakarain’izy ireo manomboka rahampitso Alakamisy 29 Septambra izany. Haharitra efatra andro ny hetsika izay hotanterahina etsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina. Raha araka ny fanazavany hatrany dia manodidina ny 100 eo ho eo ireo trano eva hiara-kiasa amin’ny Madavision mandritra izany izay tsy maintsy mampihatra ilay fihenam-bidy 15 % avokoa. Tanjona amin’izao hetsika izao moa ny mba hahafahana manampy ireo Renim-pianakaviana amin’ny fividianana ireo kojakoja maro samihafa ilaina ao an-tokantrano indrindra fa ny fitaovam-pianarana ho an’ireo mbola tsy nahafeno tsara izany.
Pati
Legende : Harilala Ramanantsoa, vehivavy mpandraharaha namorona voalohany ny hetsika La grande braderie de Madagascar !
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

miainga any amin’ny fanisana na «comptabilité» ny fanatsarana ny fampidiran-ketra,

Card image cap