airtel

Toekarena

23-avril-2026

Hetsika « MUSTIS »

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

Sample post image

Hanamafisana ny fifanakalozana

23-avril-2026

ara-toekarena, ara-barotra, ara-bola,…
Nisokatra omaly 22 aprily ny Madagascar–United States Trade and Investment Symposium (MUSTIS) na ny fihaonambe momba ny varotra sy ny fampiasam-bola eo amin’ny Madagasikara sy Etazonia, izay mikendry ny hampiroborobo ny fifanakalozana ara-barotra sy ny fampiasam-bola eo amin’ny firenena roa tonta. Nanokatra izany Mpiandraiki-draharaha amerikana Stephanie Arnold. Maherin’ny 100 ny mpandray anjara, ahitana tompon’andraikitra ambony avy amin’ny governemanta roa tonta, mpitantana avy amin’ny sehatra tsy miankina, maintimolaly avy amin’ny fandaharanasa tohanan’ny Departemantam-panjakana amerikana, ary orinasa malagasy mikasa hiditra amin’ny tsena amerikana. Nanamafy ny Mpiandraiki-draharaha Amerikanina fa ny « fifanakalozana ara-barotra sy fampiasam-bola avo lenta dia mitondra fandrosoana sy filaminana, mampihena fiankinan-doha amin’ny fanampiana ivelany, ary manome lanja ny otrik’arena ananan’ny firenena tsirairay » izy ity. Ny MUSTIS dia manasongadina ny fanamafisana ny fifandraisana ara-toekarena sy ny fametrahana fiaraha-miasa mivaingana eo amin’ny orinasa amerikana sy malagasy amin’ny sehatra fambolena, fizahantany, harena an-kibon’ny tany, asa tànana ary famokarana lamba. Aorian’ny fihaonambe dia mbola hisy fivoriana maromaro hanovàna ny adihevitra ho asa azo tsapain-tànana. Fiaraha-miasa eo amin’ny Masoivoho Amerikana sy ireo maintimolaly nahazo famatsiam-bola tamin’ny Alumni Engagement Innovation Fund (AEIF) moa no nahafahana nanao ny hetsika. I Etazonia no tsena lehibe indrindra mandray entana aondran’i Madagasikara, mitentina 700 tapitrisa dolara (3 000 000 tapitrisa Ariary) tamin’ny 2025, amin’ny alalan’ny AGOA, mihoatra lavitra noho ny tsena hafa. Etazonia dia manohana fifanakalozana mifamaly sy nohavaozina, ary mampiroborobo tontolom-pampiasam-bola mangarahara sy mari-toerana ho fisarihana fampiasam-bola avo lenta sy maharitra, ho tombontsoan’ny toekarena amerikana sy malagasy, hoy ny tatitra.
Toky R
 

Dans la même rubrique