airtel

Toekarena

24-août-2021

Toekarena

Hiala eto Madagasikara ny Shoprite Ahiana hitombo be indray ny tsy an’asa

Sample post image

Nanambara tamin’ny fomba ofisialy omaly 23 aogositra 2021 ny avy eo anivon’ny orinasam-panjifana entana ilaina an-davan’andro,

24-août-2021

Shoprite, fa hanala ny tranombarony rehetra ao Ouganda sy eto Madagasikara. Tsy nisy fanazavana betsaka ankoatran’izay sy ny hoe 20 taona moa no nisian-drizareo tao amin’ireo firenena afrikanina miisa 2 ireo. Ny taona 2000 no nanombohan’ny Shoprite tao Ouganda ary nametrahany magazay miisa 5 tao. Ny taona 2002 kosa no nanombohany teto Madagasikara ary nametrahany magazay miisa 10 teto. Ankoatran’ireo moa dia efa nanala ny tsenany tao Kenya koa ity tranombarotra afrikanina tatsimo ity ary vao ny volana jona teo koa no nesoriny ny tao Nizeria. Ho an’ity firenena voalaza farany ity dia nomena ny orinasa Ketron investisment Ltd, izay ao anatin’ny vondron’orinasa tantanan’ilay miliaridera, Tayo Amusan, ny ampahany amin’ireo fitantanana teo anivon’ny Shoprite ao an-toerana dia ny Retail Supermarkets Nigeria Limited izany. Azo hanazavana ny anton’ny fialan’ity orinasa ity amin’ireo firenen-kafa kosa raha ny fahitan’ny mpandinika azy ny fihenan’ny devizy fa eo koa ny olana ara-pamatsiana entana vokatr’ity krizy ara-pahasalamana ity. Ambany ny fahefa-mividy amin’ireo firenena afrikanina maro toa an’I Angola, Nizeria, Zambia. Araka ny fanazavan’I Pieter Engelbrecht, tomponandraikitra eo anivon’ny Shoprite foibe ao Afrika atsimo, dia hahenan’izy ireo koa manomboka eto ny petra-bola ho ampiasainy ivelan’I Afrika atsimo. Ny tsena anatiny, noho izany, hoy izy, no hanontonana ny petra-bola betsaka indrindra, izany hoe 30%, mba hahafahana mitantana ireo vidin’entana napetraka hatramin’izay. Miisa 141.000 moa ny isan’ireo mpiasa nampiasain’ny Shoprite teto Afrika, raha ny tarehimarika voalaza farany ny taona 2020. Miisa 3000 kosa ireo magazay niasan’izy ireo ary nipariaka tamina firenena miisa 15. Andrasana, araka izany, mialohan’ny tena fialan’izy ireo tanteraka eto amintsika izay fepetra ho raisin’ity orinasa ity momba ireo mpiasany eto. Ho an’ireo mpanjifa moa dia efa misy miandry sahady hoe hanome tolotra manokana farany ve izy ireo, izany hoe, ilay antsoina mahazatra hoe “promotion spéciale” sa tonga dia fandafosana aingana ireo entana sisa tavela avy hatrany na ilay antsoina hoe “liquidation” no hataony? Ahiana hitombo be indray ihany koa, araka izany, ireo tsy an’asa eto amin’ny firenena.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

1400 miliara Ariary eo, ankoatran’izay efa nampidirina anaty kitapom-bolam-panjakana, ny hetra tsy tafiditra,

Card image cap
18-avril-2024

Niresaka tamin’ny sehatra tsy miankina foana ny fitantanana ankapoben’ny hetra na DGI,

Card image cap