airtel

Toekarena

08-avril-2022

Toekarena

Hotel Carlton Anosy Hanomboka rahampitso ny Salon du Chocolat

Sample post image

Hotanterahina rahampitso sabotsy 09 aprily etsy amin’ny Hotel Carlton Anosy ilay Salon du chocolat et de la gourmandise andiany fahaefatra, karakarain’ny fikambanam-behivavy mpanao asa soa Wdnesday Morning Group.

08-avril-2022

 Hahatratra 30 isa ny mpandray anjara amin’izany, hetsika natao hampitomboana ny kitapom-bolan’ny fikambanana amin’ny asa soa hiantsorohany. Raha araka ny fanazavan-dRamamonjisoa Chapuis Solange, filohan’ny fikambanana WMG dia natao indrindra ity hetsika ity hampahafantarana ny Malagasy ny tsiron’ny cacao vokarintsika eto Madagasikara. Anisan’ny cacao tena tsara indrindra maneran-tany ny cacao Malagasy raha araka ny fanazavany ka na ireo firenena any ivelany aza dia saika misitraka sy mankafy izany. Rariny hoy izy raha mba misitraka izany ihany koa ny Malagasy no sady natao ho zakan’ny fahefa-mividin’ny rehetra ny vidiny. 5.000 Ar ny saram-pidirana ho an’ny olon-dehibe raha tsy mandoa kosa ny ankizy latsaky ny 12 taona. Anisan’ny asa soa hiantsorohan’ny fikambanana moa ato ho ato ny hanamboatra sy hanavaozana ireo toeram-panasan-damba eo ambany fiahian’ny kaominina Antananarivo renivohitra entina hanampiana ireo reny mananontena.
Pati
Legende : Chapuis Ramamonjisoa Solange, filohan’ny fikambanam-behivavy Wednesday Morning Group
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

1400 miliara Ariary eo, ankoatran’izay efa nampidirina anaty kitapom-bolam-panjakana, ny hetra tsy tafiditra,

Card image cap
18-avril-2024

Niresaka tamin’ny sehatra tsy miankina foana ny fitantanana ankapoben’ny hetra na DGI,

Card image cap