airtel

Toekarena

08-avril-2022

Toekarena

Hotely eto an-drenivohitra Ampiasaina ny teknolojia amin’ny famandrihana toerana

Sample post image

Tsy mitsaha-mivoatra ny teknolojia. Amin’ny alalan’ny finday monja dia efa hahavitana zavatra maro toy ilay "application version beta"vaovao vao novokarin'ny kaominina Antananarivo renivohitra.

08-avril-2022

 Azo kirakiraina amin'ny alalan’ny finday izy io, tolotra hahafahanao manao famandrihana ireo trano fisakafoana sy trano fandraisam-bahiny eto an-drenivohitra arahin’ny fahafantarana ny sarany.Vokatry ny fiaraha-miasan'ny "Fédération des hôteliers et Restaurateurs de Madagascar-FHORM" sy ny kaominina no angady nananana sy vy nahitana izany.Trano fisakafoanana sy trano fandraisam-bahiny mahatratra hatrany amin'ny 300 isa no efa voarakitra ao anatiny lisitra ankehitriny ankoatra ireo izay mbola an-dalana.Antony iray lehibe nametrahana ity tetikasa ity moa ny hahafahana miomana sahady amin'ny fampiantranoana ny Lalaon'ny Nosy hatao amin'ny taona 2023 eto amintsika. Miantso sahady mana-talenta sy fahaiza-manao momba ny famoronana anarana sy sary famantarana araka izany ny kaominina Antananarivo renivohitra mba hanolotra soso-kevitra miaraka amin’izy ireo.
Pati
Legende : Manga ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina sy ny "Fédération des hôteliers et Restaurateurs de Madagascar-FHORM
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

1400 miliara Ariary eo, ankoatran’izay efa nampidirina anaty kitapom-bolam-panjakana, ny hetra tsy tafiditra,

Card image cap
18-avril-2024

Niresaka tamin’ny sehatra tsy miankina foana ny fitantanana ankapoben’ny hetra na DGI,

Card image cap