airtel

Toekarena

19-avril-2022

Toekarena

Indostria ao Ambatofinandrahana Manomboka miakatra ny menaka

Sample post image

Iray amin'ireo indostria madinika hita ao Ambatofinanandrahana ny ozinina fanodinana ny voanjo ho lasa menaka.

19-avril-2022

Nisokatra sy niditra tamin'ny andrana vao tsy ela akory tamin'ny alalan'ny koperativan'ny tantsaha, ary efa manomboka miakatra ny menaka ankehitriny. Tafiditra anatin'ny fanatanterahana ny Taniketsa Indostrialy izay eo ambany fiahian'ny Minisiteran'ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana ity orinasa kely mamokatra menaka ity. Mifandraika ihay koa amin'ny ODOF (One District One Factory) na distrika iray tokony hisy indostria iray farafaharatsiny. Hanodinana ny vokatra miakatra ao an-toerana, sady hanosehana ny famokarana. Faritra isan'ireo be voanjo rahateo ny ilany atsimo andrefan'ny Faritra Amoron'i Mania. Mamokatra voanjo hatrany amin'ny 500 taonina isan-kerinandro ny Kaominina Mandrosonoro sy Amborompotsy rehefa miaka-bokatra dia ny volana mey, jona, jolay ary aogositra, raha ny fanamarihana.
Toky R
 

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

miainga any amin’ny fanisana na «comptabilité» ny fanatsarana ny fampidiran-ketra,

Card image cap