airtel

Toekarena

24-mai-2023

Toekarena

ITM 2023 Mpitsidika 150 000 no andrasana

Sample post image

Hotanterahina ny 15 ka hatramin’ny 18 Jona ho avy izao eny amin’ny CCI Ivato ilay Salon international du tourisme karakarain’ny Ministeran’ny Fizahan-tany sy ny Ofisy nasionaly misahana ny Fizahan-tany (ONTM).

24-mai-2023

Mpitsidika miisa 150.000 no andrasana hitsidika izany. Miisa 70 ireo mpandraharaha efa nisoratra anarana hatreto raha 100 mahery no naka fanampim-baovao. Tafiditra ao anatin’izany resaka fampiroboroana ny sehatry ny fizahantany izay ihany dia mpizahantany miisa 1 tapitrisa no kendren'ny ONTM ho tonga eto amintsika amin'ny taona 2028, raha mpizaha tany 50 000 no efa tonga eto Madagasikara tamin'ity taona 2023 ity. Maro ny paikady efa napetraka hanatrarana izany izany toy ny fampitomboana ny kaompaniam-pitanterana an’habakabaka, ny fampitomboana ny ny toerana fandraisam-bahiny, ankoatra ny fisintonana ny mpampiasa vola eo amin'ny sehatry ny fizahan-tany. Mpandraharaha matihanina maro eo amin’ny sehatry ny fizahantany miisa 100 avy any ivelany moa no ho tonga eto Madagasikara amin'ity taona ity, ao anatin'ny Salon international du tourisme, raha 70 izy ireo tamin'ny taon-dasa, hoy ny Minisitra Randriamandrato Joël omaly.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fampahafantarana ny hetsika
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

1400 miliara Ariary eo, ankoatran’izay efa nampidirina anaty kitapom-bolam-panjakana, ny hetra tsy tafiditra,

Card image cap
18-avril-2024

Niresaka tamin’ny sehatra tsy miankina foana ny fitantanana ankapoben’ny hetra na DGI,

Card image cap