airtel

Toekarena

12-août-2022

Toekarena

Jean Jacques Ratsietison “Niniana natotongana ny sandam-bola teto…”

Sample post image

Manao ny danin’ny kibony izay tonga eo amin’ny fitondrana eto Madagasikara, hoy ny filohan’ny antoko politika Fahefa-mividy izao no ilain’ny Malagasy na FMI Malagasy, Jean Jacques Ratsietison.

12-août-2022

Matoa tsy miteny ilay olona manoloana ny momba azy voalazan’ny gazety dia marina izay ilay voalaza, hoy izy. Raha toheriny tsinona iny dia vao mainka dokam-barotra be ho an’ilay voalazan’ny mpanao gazety dia aleony mangina. Nampahantraina ny malagasy. Efa niala tany amin’I Didier Ratsiraka io. Tamin’I Didier Ratsiraka niala tamin’ny repoblika faharoa mbola nanana fahefa-mividy ny volantsika. 1975 teo I Didier Ratsiraka no nandray fitondrana. 1980 mbola 7000 Ariary na 35.000fmg ny omby iray. Tsy nanao ezaka hampiakatra ny famokarana ny fitondrana tamin’izany. Satria nisy fahefa-mividy ilay vola dia mbola nividy vary tamin’ny gony ny olona tamin’izany. Tsy ampy ny filana an-davan’andro na PPN dia nilaharana. Nahenan’I Didier Ratsiraka 20% ny sandam-bola. Nampiany 10% indray teo amin’ny 4 taona teo. Nidina 500% ny sandam-bola. Nanomboka tsy nilahatra intsony ny olona satria ilay vola nahazo gonim-bary taloha lasa vary 10 kilao sisa azony. Ny amiraly aza tany amin’ny 1990 tany mbola niteny hoe tsy azoko ny maha tezitra ny malagasy nefa efa tsy milahatra intsony ny malagasy. Ny tsy fisian’ny vola ividianana tahiry anefa no antony tsy nilaharana. Izay ilay hoe ampahantraina. Vao farany teo izao ity fitondrana ity nampiakatra 44% ny vidin’ny lasantsy. Mampahantra ny Malagasy dia avy eo miteny amin’ny FMI sy banky iraisampirenena hoe mahantra izahay fa ampio! Hatramin’ny taona 1991 no efa tsy nisy saranga an-tenatenany na “classe moyenne” intsony teto. Tsy misy tany mahatanty izany hoe mianjera 7000% izany ny sandam-bolany. Ny olana amin’ireo milaza azy ho mpahaitoekarena dia ny dika mitovin’ny teoria nianarany no tadiavina ampiharina eto. Teorian’ny Dolara sy Euro no ianarany any an-dafy dia lazainy fa tsy afa-miala amin’izany isika satria hoe izany no misy manerantany. Poizinina amin’izany koa ny sain’ny mpianatra. Vao niditra tamin’ny “flottement” 1994 dia nampidirina amin’ny taranjan’ny taona voalohany ny hoe tolotra sy tinady no mifehy ny vola. Maty tanteraka isika. 50.000% sy 60.000% ny fidangan’ny vidin’ny entana na “inflation” dia ny fitonton’ny sandam-bola 7000%. 6 na 7 avo heny izany ilay “inflation”. Raha misy mpanao taotrano Malagasy nianatra tany Frantsa koa, ohatra, mahay be tany fa nampianarina hoe rehefa manao trano dia mitodika atsimo ny trano hidiran’ny masoandro. Tonga eto izy misy miteny hoe rehefa eto dia mitodika avaratra. Ialahy angaha mahay noho ny vazaha hoy izy? Ohatran’izany mihitsy io MID io ary antony hitenenanay hoe tokony ho foanana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

1400 miliara Ariary eo, ankoatran’izay efa nampidirina anaty kitapom-bolam-panjakana, ny hetra tsy tafiditra,

Card image cap
18-avril-2024

Niresaka tamin’ny sehatra tsy miankina foana ny fitantanana ankapoben’ny hetra na DGI,

Card image cap