airtel

Toekarena

22-févr-2022

Toekarena

JIRAMA Tale 35 mety ho voadaka

Sample post image

Misy toe-draharaha tsy milamina indray ao anatin’ny Orinasa Jirama. Tale manodidina ny 35 amin’ireo 48 eo anivon’ny JIRAMA no mety hoesorina sy hosoloina, raha ny loharanom-baovao azo.

22-févr-2022

Saika Tale notendrena tamin’ny fitantanan’Atoa Vonjy Andriamanga ny ankamaroan’izy ireo. Ity farany, izay tsiahivina fa nesorina tamin’ny toerana tsy ho Tale Jeneralin’ny Jirama ny 13 oktobra 2021 noho ny olana maro ara-pitantanana. Nisy fivoriana fanaovana tombana sy “entretien” natao ny 14 febroary teny Ambohimanambola momba ny mety ho fanapahan-kevitra ara-pitantanana ao amin’ny Jirama io, araka ny loharanom-baovao hatrany. Mety hahena 42 ny isan’ny fitaleavana. Tsy mivoaka hatramin’izao anefa ny fanendrena ireo Tale vaovao. Voalaza ihany koa, fa misy sendika mikonona grevy noho io fitarazohan’ny fanendrena io. Etsy ankilany koa anefa ireo Tale maheno fa hoesorina dia tsy mipetra-potsiny, fa manao ny fomba rehetra hijanonana amin’ny toerany. Misy ady mangatsiaka na ady mangotraka mihitsy indray izany ao anatin’ny Jirama, raha zohiana amin’io. Asa raha hiteraka delestazy sy fahatapahan-drano koa ity raha ity.

TROSA, FATIANTOKA,…
Mety ho henjana ny fiadivan-tseza sy tombotsoa. Ny volana oktobra, niparitaka ny resaka sy ny taratasy nilaza fa volabe 1 miliara mahery (1 031 000 000Ar) nifampizaran’ny mpiasa miisa 32 teo anivon’ny Jirama tamin’ny fitantanan’Atoa Vonjy Andriamanga, izay voalaza fankasitrahana manokana na “prime exceptionnelle” ho an’ny mpitantana sy mpiasa navoaka ny 31 aprily 2021, niainga tamin’ny 5 000 000Ar hatramin’ny 180 000 000Ar isan’olona izany. Efa misy ny fanadihadiana nataon’ny manam-pahefana misahana ny kolikoly momba io, saingy mbola tsy re aloha ny tohiny hatreto. Ny 11 novambra 2021 ihany koa no namoahan’ny Tambajotra Malina ny fanadihadiana lalina “Jiro Maizina”, izay niarahany tamin’ny Tranparency International-Initiative Madagascar, Friedrich Ebert Stiftung,… mikasika ny lesoka samihafa toy ny ara-pitantanana, ny kolikoly,… Naneho ny Minisitry ny angovo Atoa Andry Ramaroson ao anatin’io horonan-tsary io fa bokan-trosa ny Jirama, raha mbola manohy varotra faty antoka, dia tsy ho tafavoaka izany, ka mila manova ny “business model”. 707 miliara Ar ny trosa, raha ny tatitra ofisialy ny 2020 ka isan’ny olana ny fifanarahana amin’ny resaka fividianan’ny Jirama Angovo.

Toky R


 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

1400 miliara Ariary eo, ankoatran’izay efa nampidirina anaty kitapom-bolam-panjakana, ny hetra tsy tafiditra,

Card image cap
18-avril-2024

Niresaka tamin’ny sehatra tsy miankina foana ny fitantanana ankapoben’ny hetra na DGI,

Card image cap