airtel

Toekarena

04-avril-2022

Toekarena

Kaominina Imito – Fandriana Mandray an-tanana ny fampandrosoana

Sample post image

Andro niavaka ho an’ny Vahoaka ao Imito ny zoma 1 aprily 2022. Notanterahina tamin’io Taombavao Malagasy io sady andro tsena ao an-toerana rahateo,

04-avril-2022

ny fizaran’ny Kaominina fitaovana ho fampitaovana ireo Fokontany miisa 22 mandrafitra ity Kaominina iray ao anatin’ny Distrikan’i Fandriana, Faritra Amoron’i Mania ity. Simenitra amin’ny kitapo, hazo « madrier », hazo fanaovana valindrihana, fanitso, « panneau solaire », takamoa, penina, penisily hazo, taratasy, seza, latabatra, loko, vola … no nozaraina. « Vola madidion’ny Kaominina no nenti-nanana ireo fampitaovao ireo ho famaliana ny fangatahan’ny Fokontany araka ny filan’izy ireo tsirairay avy », hoy Razafimanantsoa Andriatsiravana Jean Marie, Ben’ny tanàna sady mpahay toekarena. Fanambin’ity farany ny hitondra fomba fanao vaovao amin’ny politika. Izy izay nanipika mazava fa « azo tao ny mampandroso miainga amin’izy eo ampelan-tanana ». Mavitrika amin’ny fandoavan-ketra ny mponin’Imito ary efa nahazon’ity Kaominina ity loka izany. Mendrika hisitraka tamberin’andraikitra ny mponina ho setrin’izany, hoy hatrany ny Ben’ny tanàna. Porofon’izany izao fampitaovana hitondra fampandrosoana eny ifotony, miainga amin’ny Fokontany izao. Izany dia natao teo anatrehan’ny Vahoaka notarihin’ireo Sefo Fokontany rehetra. Kaominina voafidy hanombohana ny tetikasa « Asa Avotra Mirindra » i Imito ao anatin’ny Distrikan’i Fandriana. Tia mampiana-janaka ny mponina ao ary isany mitana ny laharana voalohany hatrany amin’ny taham-pahafahana bakalôrea ao amin’ny Faritanin’i Fianarantsoa. Niverina ny famatsiana rano ao Imito raha tapaka an-taonany maromaro, mirehitra jiro ny tanàna ankehitriny. Hanana « gare routière » manarapenitra ihany koa Imito, izay ezaky ny Kaominina madiodio hanalana fahasahiranana ireo mpandeha. Efa vita ny trano, fa fanadiovana no sisa. Mitana ny teto Fahizay, miavaka amin’ny firaisankina ihany koa ny Vahoakan’Imito. Maro ny asa vita tao anatin’izany, ary iantsoan’ny Ben’ny tanàna ireo zanaka am-pielezana hifanome tanana ho fampandrosoana ity Kaominina Imito ity.
Jean D.
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Nahazo ny anjarany tamin’ny milina ODOF ihany koa ny Kaominina Ambohimangakely,

Card image cap