160 tapitrisa ny tetikasa nataoko, 6 tapitrisa no nomen’ny governora ka izy ve izany no nahavita ny lapan’ny tanàna? Ny kaominina anefa mampiditra “ristourne” isaky ny 3 volana any amin’ny 45 tapitrisa Ar any ka ny isan-jaton’izany ve dia 6 tapitrisa no omena ao anatin’ny 4 taona”, hoy ity ben’ny tanànan’I Kiranomena ity. Nangataka “engins” tao amin’ny faritra Bongolava ihany koa aho hanamboarako ny làlana tampaka sy kianja, hoy izy, ka nomarihiny fa ny Filoha no nanome ireny fitaovana ireny, tsy misy na Ariary aza avy amin’ny faritra fa izahay no niantoka ny gazoala sy ny asa tany Kiranomena. Fitaovana antsika, ka ny governora ve no namita ilay làlana sy kianja. Naneho io olom-boafidy fa efa nisy ny ala nenina, ary tonga ny tsotsorimamba isarahana. Tsy nahavita antsika, miala governora satria tsy mampitambatra., hoy ny ben’ny tanànan’I Kiranomena. Notsipihin’ireo ben’ny tanàna fa 6 amin’ny 30 no tena miaraka amin’ny Governora, ka misy ireo mialokaloka noho ny afera maloto. Misy ny hoe Fikambanan’ny ben’ny tanàna ao Bongolava, mandainga izay miteny fa misy filohany ny Fikambanan’ny ben’ny tanàna satria tsy nofidiana ireo fa nitsangatsangana fahatany, hoy ny ben’ny tanànan’I Kiranomena. . Mizara telo ireo ben’ny ben’ny tanàna ka ao ny miondana an-dRagova izay misy be afera ka mialoka ao an-damosiny, ny sasany matahotra antsojay ka misababaka, ary ao ny miaraka manatsikafona ny mety, raha ny nambaran’ny depioten’I Tsiroanomadidy.
Toky R
Tsy vaovao intsony fa efa fiainana andavanandro ny fahatapahan-jiro lava eto Madagasikara. Olana mandavan-taona, ary zavatra maro no potika noho ny delestazy fa isan’ny vokany miharihary ny fahapotehana ara-toekarena
Nanomboka omaly 1 jona 2023 dia lasa 0 Ariary ny saran’ny fifanakalozam-bola eo anivon’ireo banky sy ny MVola na
Hankalaza ny fetin’ny Reny isika afaka rahampitso alahady 04 jona. Ankoatra ny fitondrana am-bavaka azy ireny…dia tsy latsa-danja amin’izany ny fanolorana fanomezana na mofomamy ho an’i Neny
Nomarihina omaly teny amin’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny ny Andron’I Afrika, izay nampifanarahana amin’ny faha-60 taona nananganana