Ao anatin’ny ezaka fampidirana ny mpandraharaha tsy ara-dalàna ho ao anatin’ny sehatry ny manara-dalàna no hanatrarana izany, ho fanatsarana ny fidiram-bolam-panjakana. Efa nahitam-bokatra izany, raha ny fanazavany. Raha 354 000 ny isan’ny olona nanana karatra fandoavan-ketra tamin’ny taona 2019, tafakatra 1 250 000 izany ny taona 2022. Ankoatra izay, harahi-maso manontolo ny entana miditra sy mivoaka eto Madagasikara. Hisy ny fanatsarana ny fitaovana ampiasaina eny amin’ny Fadin-tseranana. Tsy hotsongaina intsony, araka izany, ny entana rahi-maso fa atao zato isanjato (100% scanning). Heverina hampitombo ny fidiram-bola koa ny fiantsoana mpandraharaha hampiasa vola eto Madagasikara. Fepetra fanalefahan-ketra maromaro no noraisina ho an’ireo vonona hisehatra ho an’izany, araka ny efa nambara nandritra ny “Forum national des investissements pour l’émergence de Madagascar” teny Ivato ny faran’ny volana oktobra teo. Momba ny resaka fiara izay miteraka resabe dia ny fanafarana fiara “hybride” no nambara fa misy fanalefahana, ary tahaka izany ihany koa ny simenitra. Isan’ny ahafahana manodina ny Fanjakana sy manao asa fampandrosoana ny hetra, saingy mbola malaina amin’izany ny Malagasy ka tsy mahatratra 15% akory hatreto ny tahan’ny fampidiran-ketra eto Madagasikara. Antony ny tsy fahatokisan’ny olona Fanjakana, tsy fahatsapana tamberin’andraikitra,… raha tarafina amin’ireny tatitra samihafa amin’ny kolikoly sy fanodinkodinana volam-panjakana ireny.
Toky R
Tsy vaovao intsony fa efa fiainana andavanandro ny fahatapahan-jiro lava eto Madagasikara. Olana mandavan-taona, ary zavatra maro no potika noho ny delestazy fa isan’ny vokany miharihary ny fahapotehana ara-toekarena
Nanomboka omaly 1 jona 2023 dia lasa 0 Ariary ny saran’ny fifanakalozam-bola eo anivon’ireo banky sy ny MVola na
Hankalaza ny fetin’ny Reny isika afaka rahampitso alahady 04 jona. Ankoatra ny fitondrana am-bavaka azy ireny…dia tsy latsa-danja amin’izany ny fanolorana fanomezana na mofomamy ho an’i Neny
Nomarihina omaly teny amin’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny ny Andron’I Afrika, izay nampifanarahana amin’ny faha-60 taona nananganana