airtel

Toekarena

21-mars-2023

Toekarena

Kianja Barea- Mahamasina Mila mampiditra 2 tapitrisa dolara eo ho eo isam-bolana

Sample post image

Ny 4 septambra 2021 no notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny Kianja Barea etsy Mahamasina.

21-mars-2023

Raha jerena ny fifanarahana mikasika ny tetibola lany namitana ity fotodrafitrasa goavana ity dia mitentina 77.387.000 Dolara amerikanina na USD, izany hoe, eo amin’ny 3.328.957.000.000 Ariary eo raha raisina hoe 4301,70 Ariary ny Dolara USD. Hatramin’izao dia mbola tsy mazava, raha ny fampitam-baovao voaray, ny fanefana ny volan’ireo orinasa nanatontosa ny asa, izay tsy orinasa tokana, raha ny fanamarihana voaray fa ankoatran’ny orinasam-panjakana na “société d’Etat” sinoa, izay tomponandraikitra voalohany mikasika ny fanatanterahana ny asa dia misy koa ireo orinasa madinika maro avy eto an-toerana na “sous traitant” izay nanampy teo amin’ny fanatontosana ny pitsopitsony hafa. Maro amin’ireo mpanara-baovao moa no mbola mametra-panontaniana hoe izao angaha moa no nifanarahana? Aiza ny tafon’ny kianja? Isany toy ny namaly tamin’ny ampahany izany fanontaniana izany ny fitakian’ireo orinasa sasany ny ampaham-bola mitentina 17.321.614,90 Dolara USD hatrany na 745.123.900.000 Ariary ny 1 novambra 2021 teo, izay voalaza fa mbola isan’ny tsy mbola voaloan’ny fitondram-panjakana amin’izy ireo. Raha atao ny kajikajy tsotsotra nanomboka tamin’ny septambra 2021 no ho nankaty dia mila mampiditra 2 tapitrisa Dolara USD eo na 8.603.400.000 Ariary ny Kianja Barea raha tiana ho tafaverina aloha izany ny lany tamin’ny fanamboarana ny kianja. Hatreto anefa na ny fifaninanam-pirenena ho an’ireo divizionina voalohany, sokajy matihanina, eo amin’ny taranja baolina kitra, dia ny Orange Pro League na OPL aza tsy raisin’ity kianja ity. Ny fampiasana ireo toeram-piseraserana ara-barotra maro ao anatiny ihany koa tsy tena mbola mazava amin’ny ankamaroan’ireo olompirenena sy mpandraharaha loatra hatreto ny fahafaha-mampiasa azy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

07-mai-2024

Misedra olana administratifa amin’izao fotoana izao ny orinasa Madagascar oil,

Card image cap