airtel

Toekarena

15-avril-2022

Toekarena

Kofona tanteraka ny fitondrana Hangata-bola any amin’ny FMI sy BM indray

Sample post image

Tao anatin’ny andro vitsy no niely ny resaka fa nahazo fampanantsoana any amin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI)

15-avril-2022

ny Fitondram-panjakana noho toe-javatra miiba miseho eto amin’ny firenena noho ny raharaham-pitantanana tsy mahomby, kanefa ny fahasahiranana toy ny tsy fanjarian-tsakafo miha mahery vaika. Naneho kosa ny Fanjakana tamin’ny alalan’ny Talen’ny seraseran’ny Fiadidian’ny Repoblika sady mpitondra tenin’ny Filoha Rtoa Lova Hasinirina Ranoromaro, fa tsy nahazo fampiantsoana velively araka ny resaka izay niely, fa isika no nangataka fihaonana mba ahafahana mijery fomba fiasa haingana hisian’ny famatsiam-bola bebe kokoa. Nambara fa mipetraka tsara ny fifampitokisan’ny mpiara-miombon’antoka ary nambaran’io tompon’andraikitra io tena hita taratra amin’ny alalan’ny fanampiana samihafa azontsika. Hiazo an’I Washington DC amin’ny ny faran’ny herinandro izao noho izany ny Filoham-pirenena sy ireo olona tarihiny, ary efa nialoha lalana ny Minisitry ny toekarena sy ny Governoran’ny Banky Foibe, izay hiatrika fihaonana lehibe eo anivon’ny rafitra mpamatsy vola. Hihaona manokana amin’ny Filohan’ny Banky Iraisam-pirenena (BM) sy ny Filohan’ny FMI kosa ny Filoha Malagasy. Hamehana, fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro hita taratra amin’ny rivodoza no isan’ny horesahina. Isan’ny voa mafy I Madagasikara, tena mila tohana, hatao firenena filamatra na “pays pilote” isika amin’ny fanarenana ao anatin’ilay ho « Politique des Etats fragiles», raha ny nambaran’ity Mpitondra tenin’ny Filoha ity. Efa nisy, hoy izy, ny antso natao tamin’ireo firenena tena mpandoto ny tontolo iainana ny andraik’izy ireo amin’ny fandrafetana ny “fonds vert” amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro. 100 tapitrisa dolara amin’ny « fonds vert » no nambara fa tokony ho anjaran’I Madagasikara hiatrehana ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny ady amin’ny kere tafiditra amin’ny PEM Sud,… Efa nangataka an’io ny Filoha tany amin’ny COP 26 tany Glasgow ny novambra 2021, saingy mbola tsy nirotsaka ny dolara! Nilaza ho miresaka hatrany amin’ny mpiara-miombon’antoka amin’ny fanatanterahana ny programam-pampandrosoana ny Fanjakana. Nambara ny fisian’ny PNDPC (Plan National de Developpement Poste-Cyclonique), izay nolazaina fa tafiditra ao anatin’ny PEM (Plan pour l’Emergence de Madagascar). Nolazaina ho isan’ny laharam-pahamehana ny làlana, fambolena, tanimbary, tanimboly, fanohanana ny mpiompy,… Andrasana indray izany ny vokatra hoentin’ny dia, izay hifantoka amin’ny fanataham-bola indray mazava ho azy. Tamin’ny propagandy, nolazaina mampahantra ny fitrosana amin’ny mpamatsy vola mahazatra, ary rehefa i Andry Rajoelina no filoha, dia isika indray no hampindrana an’i Kaomoro. Aiza ho aiza re izany izao e ?
Toky R
 

 

Dans la même rubrique

16-avril-2024

Navoitran’ireo Vondron’ny mpandraharaha amin’ny sehatra tsy miankina nandritra ny fihaonana tamin’ny Filoham-pirenena ny

Card image cap