airtel

Toekarena

06-janv-2023

Toekarena

Krizy ara-bola goavana Nikasa hanonta vola tsy misy antoka ny Fanjakana ?

Sample post image

Mbola mampametra-panontaniana ny mpanara-baovao ny fametraham-pialan’ny Governoran’ny Banky Foiben’i Madagasikara ny alarobia 4 febroary lasa teo. Ny vaovao ofisialy,

06-janv-2023

dia nilaza fa noho ny antony ara-pahasalamana. Na izany aza, mahalasa saina ihany hoe: fifanandrifian-javatra ve ny nifanojoany tamin’ny olana goavana ara-toekarena sy ara-bola mahazo ny firenena? Misy ny mpanao politika sy mpandinika ara-toekarena nilaza fa mety ho nisy baiko sy toromarika tsy mifanaraka amin’ny etikany nasain’ny Fanjakana nataony kanefa tsy mifanaraka amin’ny etikany. Azy manokana moa izay, fa tsy afaka hivaona amin’ny ofisialy isika. Misy ihany koa ny siosion-dresaka mivoaka fa nikasa hanonta vola tsy misy misy antoka na “planche à billets” ny Fanjakana ka mety ho izay ve no isan’ny anton’ny fametraham-pialan’ny governora? Tsy ho voaresaka amin’ny vaovao ofisialy mihitsy rahateo ny tahaka izany satria stratejika be sy tena saropady rahateo ny toeran’izany governoran’ny Banky Foibe izany. Mety ho azo eritreretina ihany ny fisian’io fikasana io, raha tarafina amin’ny zava-misy. Matoa anefa manonta vola ny firenena iray dia mitombo izay ny harin-kareny, manana tahirim-bolamena sy tahirina vola vahiny matanjaka,… Politika ara-bola voasokajy ho mety sy azo heverina hitazonana sy hamelomana ny toekarena ao anatin’ny vanim-potoanan’ny krizy ny fanontana vola ka sao mba nisy fikasana an’izany tokoa fa nolavin’ny governora? Mila fitandremana be anefa io satria isan’ny voka-dratsiny ny fidanganan’ny sondro-bidim-piainana (inflation) ary hampitotongana hatrany ny sandam-bola (dévaluation). Fahita izany tany amin’ny firenena sasany tany Afrika taloha, ary mety mbola misy hatramin’izao hoe: rehefa mitotongana ny sandam-bola, dia mety vola iray borety ohatra vao mahazo vary iray gony, tahaka ny nahazo an’I Zimbabwe. Miteraka fiforonan’ny antsoina hoe « ex-nihilo », izany hoe : tsy mamorona harena mifandraika aminy sy ny zava-misy ihany koa io, raha ny fanazavana ara-teknika. Amin’ny vanim-potoana mahazatra tsy misy krizy, ny fanontana vola, dia miainga avy amin’ny Banky Foibe izay misy pitsopitsony maro toy ny vola eo am-pelantanany, ny volamena (or monétaire), ny tahirim-bola vahiny (réserves des changes et des titres),… araka ny efa nohazavaina teo aloha.


ZAVA-DOZA RAHA MIKASA HIDITRA AMIN’IZANY
Mila fandanjalanjana lehibe mifandraika amin’ny fikorinan’ny vola sy ny zava-misy ara-toekarena noho izany izy io. Fanao ihany koa amin’ny fanentsenana ny trosam-panjakana, izany hoe: hanentsenana avy hatrany ny tsy fahampiam-bolam-panjakana. Foana amin’ny fomba tsotra io tsy fahampiana io, tsy mila miantso mpampiasa vola tsy miankina avy ato anatiny na avy any ivelany,…. Vao mainka mety hampidi-doza ara-toekarena anefa, ary tsy tena vahaolana maharitra, ka zava-doza ho an’ny firenena raha misy tokoa ny fikasana hanao izany, raha ny filazan’ny ankamaroan’ny mpahay toekarena.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

miainga any amin’ny fanisana na «comptabilité» ny fanatsarana ny fampidiran-ketra,

Card image cap