ny Vondron’ny orinasa eto Madagasikara na ny GEM. Miantso ny fahendren’ny mpiantsehatra mivantana ao anatin’ny toe-draharaha mba hamoaka fitoniana haingana noho izany ny GEM. Naneho izy ireo fa tena tsy afa-miala amin’ny mety ho fitotonganana indray eo anatrehan’ny fiakaran’ny maripana politika i Madagasikara. Misy fiantraikany amin’ny fandraharahana eto izany fa ho an’ny toekarem-pirenena izay mbola tena marefo, hoy ny fanairana. Manampy trotraka izany ny fari-piainan’ny olona sy ny tontolo ara-pandraharahana izay vao avy nisedra olana tamin’ny krizin’ny coronavirus, ny loza voajanahary, ny ady iraisam-pirenena, ary hamafisin’ny toe-draharaha politika amin’izao. Ny ankamaroan’ireo orinasa rahateo no voalaza fa nanamafy tamin’ny fanadihadiana ECE (Enquête de Conjoncture Economique) nataon’ny Banky Foiben’i Madagasikara, ny fahatsapana tsy fahamarinan-toerana sy antoka ara-pandraharahana eo anatrehan’ny toe-draharaha ara-tsosialy sy politika ankehitriny. Ao anatin’ny fiadiana ny tena fiverenan’ny tsenan’ny AGOA (l’African Growht and Opportunities Act) izay dinihina eo anivon’ny KongresyAmerikanina ihany koa anefa I Madagasikara, saingy mety ho sakana ny krizy politika. Miantso ny fisorohana ny krizy politika goavana izay mety hiteraka krizy ara-toekarena lalina noho izany ny Vondron’ny orinasa. Tsara moa ny manamarika, fa voizin’ny mpitondra ankehitriny mafy fa tsy misy krizy politika eto kanefa iaraha-mahita ny tsy fisian’ny fahamarinan-toerana eo amin’ny mpitondra ankehitriny toy ny governemanta, ny andrim-panjakana tahaka ny Antenimierandoholona sy ny HCC, fa indrindra ny lafiny fiandrianam-pirenena sy raharaham-pifidianana izay miteraka fifandonan-kevitra goavana noho ny fanoherana ny mety ho teti-dratsy vao mainka hiteraka krizy sy tsy fahamarinan-toerana politika ka ilàna fanadiovana fifidianana mba hisorohana izany. Tsy aleo ve izao dia efa alamina sa hatao sorona mihitsy ny firenena sy ny vahoaka ?
Toky R
Sary fanehoana