airtel

Toekarena

18-mai-2022

Toekarena

La grande braderie de Madagascar Hanampiana ny mpandraharaha, tohana ho an’ny mpanjifa

Sample post image

Efa ao anatin’ny fanomanana ilay hetsika ara-toekarena goavambe hotontosaina etsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina hatramin’ny omaly ny Madavison, mpikarakara ilay hetsika La grande braderie de Madagascar.

18-mai-2022

Ny 26 ka hatramin’ny 29 mey ho avy izao no hanatanterahana izany, ahitana trano eva mihoatra ny 100 mahery. Raha araka ny fanazavan-dRamanantsoa Harilala, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Madavision dia natao indrindra hanampiana ny mpandraharaha madinika sy salantsalany eto amintsika izy ity indrindra taorian’ny nidiran’ny valan’aretina Covid 19 teto amintsika. Saika nivoaka sempotra avokoa mantsy ireo mpandraharaha raha araka ny fanazavany. Tsy afaka nivadika ho vola mihitsy ireo entana efa nalainy ka amin’ity hetsika La grande braderie de Madagascar karakarain’izy ireo ity no hivarotany izany mba hahafahana mamadika ny entana hanjary ho vola indray. Hisy ireo karazan’entana maro isan-karazany hahaliana ny mpanjifa araka izany mandritra ny hetsika izay hanomboka eo amin’ny 15 % ny fihenam-bidy. Noho ny fahasahiranana ihany koa mantsy hoy hatrany Ramanantsoa Harilala dia tsy mba afaka niantsena tsara intsony ny isan-tokantranony ka tohanana ihany koa izy ireny mba hanatsarany sy hanavaozany ny ao an-tokantranony ao. Mifanojo indrindra amin’ny fankalazana ny fetin’ny reny moa ity hetsika ity no sady hanarenana ny toe-karena ihany koa. Tsy misy atahorana ny fandriampahalemana, hisy ihany koa ny toerana manokana natokana ho an’ny fiara.
Pati
Legende : Ramanantsoa Harilala, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Madavision
 

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Nahazo ny anjarany tamin’ny milina ODOF ihany koa ny Kaominina Ambohimangakely,

Card image cap