Nitarika azy ireo ny Ben'ny tanànan'i Ikianjadrakefona izay filohan'ny "Associations des Maires Région Amoron'i Mania” niaraka tamin'ireo ben’ny tanàna notarihiny sy filohan'ny Kaoperativan'ny Tantsaha. Tanjon'ny fitsidihana ny hangataka fiaraha-miasa momba ny famokarana sy ny lalam-barotra soja izay tiana hiparitaka any amin'ny Faritra amoron'i Mania, tafiditra ihany koa amin’ny tanjona ho an’ny fampandrosoana eny ambanivohitra. Mampiseho ny fahavononan’ny Kaoperativa Firaisankina izay tarihiny ny Ben’ny Tanànan'i Betafo, izay izy no nanangana sy filohan’io. Federasionin'ny kaoperative miisa 25 no mitambatra ao anatin'ny Fisaisankina amin'izao ary misy mpikambana aman-jatony. Tapaka tamin'ny fihaonana ary fa dia hatambatra ao anaty federasionina ireo kaoperative marobe ao Vakinankaratra sy Amoron'i Mania, koa dia hiara-hisalahy amin'ny famokarana sy ny fitadiavana ny lalam-barotra miaraka ary ny Ben'ny tanànan'i Betafo hatrany no filohan'ity federasionin'ny kaoperativa ity, hoy ny fampitam-baovao.
Toky R
Tsy vaovao intsony fa efa fiainana andavanandro ny fahatapahan-jiro lava eto Madagasikara. Olana mandavan-taona, ary zavatra maro no potika noho ny delestazy fa isan’ny vokany miharihary ny fahapotehana ara-toekarena
Nanomboka omaly 1 jona 2023 dia lasa 0 Ariary ny saran’ny fifanakalozam-bola eo anivon’ireo banky sy ny MVola na
Hankalaza ny fetin’ny Reny isika afaka rahampitso alahady 04 jona. Ankoatra ny fitondrana am-bavaka azy ireny…dia tsy latsa-danja amin’izany ny fanolorana fanomezana na mofomamy ho an’i Neny
Nomarihina omaly teny amin’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny ny Andron’I Afrika, izay nampifanarahana amin’ny faha-60 taona nananganana