airtel

Toekarena

10-mai-2023

Toekarena

Lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany Mibaribary ny fitiavan-tenan’ny Fanjakana Foibe

Sample post image

Dinihina sy handalo fandaniana eny anivon’ny Antenimierampirenena ny lalàna mikasika ny harena an-kibon’ny tany. Stratejika be io,

10-mai-2023

ary tokony ho fanoitra ahafahana mampandroso an’i Madagasikara ny resaka harena an-kibon’ny tany, raha tena tsara tantana, saingy mbola mampiady hevitra ny làlan-tsaina itondrana azy ankehitriny. Voalohany aloha, isan’ny natao fitaovana politika sy nentina nanenjehana ny mpitantana samihafa teto ny tamberiny dia ny “redevance” sy “ristourne” avy amin’ny harena an-kibon’ny tany izay 2%. Nakarina 5% io izay ekena fa niakatra, saingy raha ny fomba firesaka tany aloha dia tokony ho 25% farafahakeliny. Nanaovana serasera politika ireo orinasa goavana mampiasa vola amina miliara dolara maro eto, nolazaina fa mangoron-karena fa tsy misy tamberina, nolalaovina ny hoe: 1% sy 2% ka nodiana adala ny karazana hetra manodidina ny 40, ny famoron’asa an’aliny, ny anjara toerany eo amin’ny fitazonana ny toekarena sy ny sandam-bola,… Ao anatin’ny fanovana ankehitriny, zara raha niakatra ny tamberiny ho an’ny Vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana na CTD izay 1,4% lasa 1,5% izany hoe: 7% monja ny tahan’ny fiakarana. Raha 0,6% kosa ny an’ny Fanjakana foibe dia niakatra ho 3,5% izany hoe: niakatra ho 483%. “Ilay 1,5% no zarain’ny faritany, faritra, kaominina,… izany hoe: samy manana 0,5% ka tsy rariny izany”, hoy ny Depiote Mamihaja Charlot voafidy tany Mananjary ny alatsinainy teo tao amin’ny fahitalavitra iray afak’omaly. Tsy ampy ny fahefana omena CTD satria amin’ity dia mijanona ho mpanara-maso sy mpanao tatitra. Misy ny mizana tsindrian’ila satria hatao fakana harena fotsiny izany ny eny ifotony, tsy izy no tena misitraka ny tamberiny amin’ny hareny, ary io mbola atao ambanin-javatra io. Tsy vao izao no nanehoan’ny Fanjakana Foibe fitiavan-tena, fa efa tranga niseho nampitaraina ireo kaominina 25 anatin’ny Faritra Alaotra Mangoro sy Atsinanana ny nanakepohan’ny Fanjakana Foibe ny anjara tamberina avy amin’Ambatovy efa voafaritra mazava fa azy ireo, araka ny fitarainana nohamafisin’ireo ny taona ny taona faran’ny taona 2022 teo. Raha ny fanehoan-kevitra nentin’ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany teo aloha Atoa Brice Randrianasolo raha nivahiny tao amin’ny Top Radio 102.8 FM ny 03 may teo ihany koa, ary zava-misy iaraha-mahita dia rafitra voasoratra ny Faritany, fa tsy misy olona manodina azy. Mankaiza izany io anjaran’ny faritany io? Iza no hisitraka sy higalabona amin’izany? Misy zavatra mety hiova,… hotsarain’ny tantara raha misy ny baiko midina amin’ny hoe: fananana maro an’isa, raha ny nambaran’ny depiote iray.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nifanakalo traikefa tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny any Maroc ny ekipan’ny ODOF.

Card image cap
23-avril-2024

Mbola mitohy ny fisoratana anarana amin’ny loka Pierre Castel. Hifarana ny 24 aprily ho avy izao ny andiany amin’ity 2024 ity.

Card image cap