airtel

Toekarena

26-mai-2023

Toekarena

Lalàna momba ny famatsiam-bola Ohatra tsara azo alain-tahaka ireo firenena miteny Anglisy

Sample post image

Tamin’ireo toerana rehetra nalehako, raha tsy diso aho, hoy ny mpandraharaha ara-bola, Arizaka Rakoto,

26-mai-2023

dia matetika amin’ny firenena mampiasa teny Anglisy no mampiasa ny antsoina hoe «Pacte des investisseurs» na fifanarahan’ireo mpamatsy vola. Ohatra arakaraka ny zava-misy izay, hoy izy, fa mbola tsy hitako moa ny voarakitra anaty lalàna farany momba io mpamatsy vola sy famatsiam-bola eto Madagasikara io fa ny fitadidiako azy dia i Nizeria sy Maorisy izao mametra mihitsy hoe raha misy orinasa mitsangana aty aminay dia tokony ireto avy ny mpamatsy vola iaraha-miasa. Feran-drizareo hatramin’ny mpiasa hoe izao isan-jato ihany no avy any ivelany fa ny mpiasa ambiny dia avy eto an-toerana avokoa. Anatin’ny fiheverana sahady ny tombontsoa tokony ho azon’ny firenena izany rehefa manangana orinasa. Indrindra, resaka banky izany, satria tsy hijanona kelikely fa iny miha lehibe hatrany, hoy hatrany ny tenany, nanazava fa azo alaina ohatra ireo firenena miteny Anglisy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique