airtel

Toekarena

23-mai-2023

Toekarena

Lalàna momba ny fampiasam-bola Ampitoviana ny herijikan’ny Malagasy sy vahiny

Sample post image

Lany tao anatin’ny fivoriana nitambarambe teo anivon’ny Antenimieram-pirenena omaly 22 may 2023 ny volavolan-dalàna momba ny fampiasam-bola eto Madagasikara.

23-mai-2023

Nambara fa nisy lesoka ka tsy nahafahana nampandroso na nampiroborobo ny toekarena teto amintsika ilay Lalàna momba ny fampiasam-bola tamin’ny tamin’ny taona 2007, ka antony namolavolana ny rijanteny vaovao hasolo azy. «…Hita teto androany fa na ireo solombavambahoaka mpanohitra na ny solombavambahoaka miaraka amin’ny fitondrana dia niray hevitra fa ilaina tokoa izany lalàna momba ny fampiasam-bola eto amintsika izany”, hoy ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana, Edgard Razafindravahy. Ahitana toko folo sy andininy 35 io lalàna io. Raha hiverenana dia andininy iray ho fiarovana ho ny mpiasa Malagasy no nasiam-panovana tany amin’ny asam-baomiera ny 15 may teo. Mivoitra anatin’izany ny fanamorana ny fikarakarana ny fananganana orinasa, fametrahana safidy mazava tsara eo amin’ny sehatry ny famahana olana, fanitarana ny sehatra ifandaminana anatiny manoloana ny olana misy eo amin’ny mpampiasa vola avy eto an-toerana sy ny fanjakana Malagasy. Navoitra fa tsy hisy intsony ny mizana tsindrian'ila fa hitovy avokoa ny herijika, na ho an'ny mpampiasa vola tera-tany na vahiny. « Aoka hiala avy hatrany ny ahiahy fa amin’ity Lalàna momba ny fampiasam-bola vaovao ity dia tena hanana ny toerana ireo mpandraharaha malagasy. Ilaintsika koa anefa ireo mpandraharaha avy any ivelany. Sady misarika azy ireo isika hampiasa vola no hanome asa bebe kokoa ho fampandrosoana ny toekarena », hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy teny Tsimbazaza raha nanao ny famelabelarana io volavolan-dalàna io. Anisan’ny fanontaniana napetraky ny Solombavambahoaka ny fisitrahana ny tany ho an’ireo mpampiasa vola vahiny. Nisongadina anaty fanavaozana ny tsy fahafahan’ny mpampiasa vola vahiny mividy tany fa fanofana tany maharitra kosa no ataon’izy ireo, izay nahena ho 50 taona, raha hatrany amin’ny 90 taona teo aloha. Hiditra amin’ny asam-baomiera eny amin’ny Antenimierandoholona manomboka anio moa io lalàna io.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nifanakalo traikefa tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny any Maroc ny ekipan’ny ODOF.

Card image cap
23-avril-2024

Mbola mitohy ny fisoratana anarana amin’ny loka Pierre Castel. Hifarana ny 24 aprily ho avy izao ny andiany amin’ity 2024 ity.

Card image cap