amin’ny fanondranantsika makany Etazonia, hanomezana fotoana hanaovana adihevitra sy fanitsiana mety ilaina. Hampiasahotaka ny sehatry ny indositria sasany sy ny fanondranana io raha mihatra. Araka ny fanazavan’Andriamatoa Aivo Andrianarivelo, Governoran’ny Banky Foiben’i Madagasikara hita tamin'ny fampahalalam-baovao, mety hisy fiantraikany amin’ny olona maherin'ny 180 000 ity fanapahan-kevitra ara-barotra ity. Anisan’izany ny mpiasa 60 000 ao amin’ny sehatry ny indostrian’ny lamba ary 120 000 hafa amin’ny sehatry ny lavanila. Raha tanteraka ity fiakaran-ketra ity, dia hiatrika fihenan'ny fanondranana sy fatiantoka amin'ny asa an'arivony, raha ny fanazavana. Anisan'ireo vokatra tena be mpividy any Etazonia avy amin’i Madagasikara ny lamba (54,8%) izay mety hifindra toerana any amin’ny Firenen-kafa ireo orinasa rehefa mafy ny afera, ny harena ankibon’ny tany (23,07%) toy ny vatosoa sy akora mineraly, ary ny lavanila (16,9%). Ireo no ho lasibatra voalohany amin'ny fiakaran'ny hetra vaovao, izay mety hampihena be ny fifaninanana ho antsika eo amin'ny an-tsena iraisam-pirenena. Tamin'ny volana janoary 2025, nahatratra 83,3 tapitrisa dolara ny vola nifanakalozan’i Madagasikara sy Etazonia. Anisan’ny nahazoana tombony lehibe tamin’izany ny fanondranana nataontsika izay nitentina 73,3 tapitrisa dolara. Etsy an-kilany, ny fanafarana entana avy any Etazonia ho any Madagasikara dia mitentina 10 tapitrisa dolara monja. Marihina fa i Madagasikara no mpamokatra sy mpanondrana lavanila be indrindra maneran-tany, mitentina 80% amin'ny famatsiana lavanila iraisam-pirenena. Manodidina ny 600 tapitrisa dolara isan-taona, araka ny antontan'isa navoakan'ny Ministeran’ny Varotra sy ny Indostria mametraka azy ho fanondranana isan’ny mampidi-bola indrindra. Mamorona asa mivantana sy ankolaka an’aliny indrindra any SAVA sy Analanjirofo. Marefo ihany koa amin'ny fiovaovan'ny tsena sy ny politikan'ny hetra, satria tsy mora ny mamadika azy ho amin'ny tsena hafa raha sendra misokatra amin'ny fandoavan-ketra ambony kokoa. Manana toerana lehibe amin'ny toekarena malagasy ihany koa ny sehatry ny indostrian'ny lamba, izay anisan'ny mpampiasa olona betsaka indrindra. Tombanana ho manodidina ny 200 tapitrisa dolara isan-taona ny vola miditra amin'ity sehatra ity amin’ny alalan'ny fanondranana, indrindra ho any Etazonia amin'ny alalan’ny AGOA (African Growth and Opportunity Act), izay baraingo ny ho aviny.
BARAINGO NY HO AVIN’NY AGOA, MIOVA NY LAMINA ARA-TOEKARENA ERAN-TANY
Vao tamin'ny volana martsa 2025 no nisy fifampiresahanantsika momba ny fanavaozana ny AGOA tany Etazonia, manamafy hatrany ny fiankinan-doha ara-barotra amin'ny tsena amerikana. Mbola baraingo ny tohiny. Mila miomana kosa i Madagasikara amin’ny paikady vaovao hiarovana ny vokatra fanondranana sy hanatsarana ny fahazoana tsena vaovao maneran-tany, eo anatrehan'ny fiovan'ny lamina ara-toekarena sy ara-barotra fa indrindra ny jeopolitika.
Toky R