airtel

Toekarena

23-avril-2024

LOKA PIERRE CASTEL - EDISIONA 2024

Mbola mitohy ny fisoratana anarana

Sample post image

Mbola mitohy ny fisoratana anarana amin’ny loka Pierre Castel. Hifarana ny 24 aprily ho avy izao ny andiany amin’ity 2024 ity.

23-avril-2024

Ny STAR raha tsiahivina dia mitovy hevitra amin’ny tanjon'ny vondrona CASTEL amin’ny fanohanana ny mpandraharaha eto an-toerana mba hampiharana vahaolana maharitra amin'ny faharetan'ny rafitra ara-tsakafo eto Afrika.Nisokatra nanomboka ny 01 martsa teo ny fifaninanana raha tsiahivina ho an’ireo tanora mpandraharaha mizaka ny zom-pirenena malagasy eo anelanelan’ny 18 sy 45 taona, monina sy miasa amin’ny sehatry ny fambolena sy ny indostria eto Madagasikara. Ireo tetikasa voafantina dia hisitraka amin'ny fanohanana ara-bola sy fanofanana izay afaka manangana sy manamafy ny fahaizany miatrika ireo fanamby raiki-tampisaka eo amin'ny sehatry ny fambolena sy fiompiana eto an-toerana sy iraisam-pirenena. Loka ho azon’ny laharana voalohany mandritra izany ny vola mitentina € 15,000 miampy fanohanana ara-bola ary programa fanofanana. Mitentina 10.000 euros kosa ny loka faharoa miampy programa fanofanana koa. Fahatelo hatramin’ny laharana fahaefatra dia hisy ny fiofanana momba ny fandraharahana voamarina momba ny e-learning miaraka amin’ny foibe ara-barotra iraisam-pirenena any Geneva (ITC) ary fandraisana anjara mivantana amin’ny Prix Jeunes Espoirs. Azo hatao mivantana amin'ireto rohy manaraka ireto: http://candidature-prix-pierre-castel.com/ na https://forms.gle/MxtBBrwbsLaFsopf6 moa ny fisoratana anarana, raha araka ny fanazavan-dRamatoa Fanou Raveloarison, tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny orinasa Star.
Pati
Legende : Ramatoa Fanou Raveloarison, tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny orinasa Star !
 

Dans la même rubrique

03-mai-2024

Nisokatra omaly ary tsy mifarana raha tsy ny 31 may izao ny fisoratana

Card image cap
02-mai-2024

Manome torolalana sy hampangarahara ny fanaovana raharaha ara-barotra ny PICM.

Card image cap