airtel

Toekarena

24-août-2026

MADAGASIKARA

– AFRIKA ATSIMO

Sample post image

Hanamafy ny fiaraha-miasa

24-août-2026

ara-barotra amin’ny alalan’ny MASACHAM
Naseho tamin’ny fomba ofisialy nandritra ny foara ara-toekarena Fier-Mada, ny Madagascar South Africa Chamber (Masacham), ary namafisina sy nampahafantarina ofisialy ny faran’ny herinandro teo ny fijoroany. Anisan’ny niposahan’ny hevitra entina hanamafisana ny fiaraha-miasa ara-barotra sy ara-toekarena eo amin’ny Firenena roa tonta Masoivohontsika any Afrika Atsimo Atoa Toavina Ralambomahay. Antenimieran’ny varotra iraisan’ny Firenena roa tonta ny Masacham, mikendry ny hanamora ny fifanakalozana ara-barotra sy ny fampiasam-bola eo amin’ireo mpandraharaha malagasy sy afrikanina tatsimo ny Masacham. Ity rafitra vaovao ity dia natao hampifanakaiky kokoa ny orinasa avy amin’ny firenena roa tonta, hampiroborobo ny fifanakalozana B2B, ary hanampy amin’ny famoronana tetikasa iombonana maharitra. Tanjon’ny Masacham ny hanampy ireo mpandraharaha hifampizara traikefa sy fahaiza-manao, ary hanitatra ny sehatra iasan’izy ireo amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa mivantana. Ho an’i Madagasikara, Afrika Atsimo dia tsena lehibe sy manan-danja amin’ny fanondranana sy ny fampidirana entana, ka ny fananganana ity efitra ara-barotra ity dia heverina ho dingana lehibe amin’ny fanamafisana ny fifandraisana ara-toekarena. Marobe ny sehatra voakasik’ity fiaraha-miasa ity izay azontsika ivelarana toy ny: fambolena sy ny indostria ara-tsakafo, fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, angovo, teknolojia, serivisy, ny fitaterana sy ny lojistika,... Ireo sehatra ireo no ahafahan’ny orinasa malagasy manitatra ny tsena sy mahazo fidirana amin’ny tsena afrikanina tatsimo. Ankoatra izany, ny Masacham dia mikasa ny ho mpanelanelana eo amin’ny sehatra tsy miankina sy ny andrim-panjakana, amin’ny fanampiana amin’ny fanatanterahana tetikasa sy ny famoronana fiaraha-miasa maharitra. Hiaraka amin’ny manampahefana, ny solontena diplaomatika, ary ny fikambanana ara-barotra ny efitra mba hamantarana sy hanesorana ireo sakana amin’ny fifanakalozana ara-toekarena. Amin’ny alalan’ny fifampiresahana sy ny fihaonana B2B, ny Masacham dia manantena ny hanampy amin’ny fananganana tambajotra matanjaka eo amin’ny mpandraharaha roa tonta. Amin’ny ho avy, ny fiaraha-miasa toy izao dia antenaina hampitombo ny fifanakalozana ara-barotra sy ny fampiasam-bola, ary hanampy amin’ny fananganana fiaraha-miasa maharitra eo amin’i Madagasikara sy Afrika Atsimo. Efa nisy moa ny savaranonando tamin’ny alalan’ny fanelanelanana nataon’ny Onet Group International, ka nihaonan’ireo ampahana mpandraharaha avy any Afrika Atsimo tamin’ny ampahana mpandraharaha teto tetsy amin’ny Radisson Blu Ambodivona ny 05 aogositra teo, nahafahan’izy ireo nijery mivantana ny vokatr’ireo mpandraharaha Malagasy, izay nahavaky vava azy ireo fa tsara kalitao ny vokatra.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-août-2026

volamena amina toerana maromaro

Card image cap