airtel

Toekarena

08-août-2023

Toekarena

Madagasikara Manankarena kanefa resy ara-toekarena

Sample post image

Nihemotra ny firenena! Kihon-dalana goavana hatrehin’ny Malagasy, efa tsy ho ela intsony, ny fifidianana indray izay ho filoham-pireneny hitantana azy mandritry ny 5 taona.

08-août-2023

Fanontaniana goavana mipetraka ao anatin’izany ny hoe nanao ahoana moa izany atao hoe fiainanan’ny firenena izany hatreto? Handeha tsy hiresaka fotsiny afa-tsy ny tao anatin’ny 15 taona farany, ohatra?
VIZANA IREO ORINASAM-PANJAKANA
Nisy fotoam-piasanana filoham-pirenena notapahan’ny fanonganam-panjakana an-tenatenany tao. Nisy tetezamita nandritry ny 4 taona mahery kely. Nisy filoham-pirenena miisa 2 azo lazaina hoe vaovao indray nanaraka avy eo. Tao anatin’izany rehetra izany anefa, heverina fa tsy hisy sahy hilaza angamba hoe nandroso ny firenena na koa hoe nivoatra ny toekarem-pirenena. Miara-mahita ny rehetra rehefa samy manara-baovao fa nitotongana ny toekarem-pirenena. Ny Jiro sy rano malagasy na JIRAMA sisa no hany mbola tsy mampihambahamba ny manonona azy ho orinasa malagasy. Ny kaompaniam-pitaterana ana habakabaka Air Madagascar, izay reharehan’ny firenena hatramin’ny taona 1961, efa nambaran’ny mpahaitoekarena sasany toa an-dry Serge Zafimahova fa tokony hanambara amin’ny fomba ofisialy fa banky ropitra. Niova ho Madagascar Airlines moa ny anarany ankehitriny saingy vao mainka vizana, mikorontana, bokan-trosa, araka ny efa nitaterana azy teto ny fiandohan’ity volana ity. Ny SECREN, ny SIRAMA, ny tranombarotra Roso, ny Solima, ny BTM, ny BFV, ampahany amin’ireo orinasam-panjakana maro sy banky nitondra anarana tamin’ny teny malagasy madio nampirehareha fahiny izany kanefa dia very an-javony ankehitriny. Aiza koa izao ny tohin’ny raharaha Kraomita malagasy na Kraoma, izay hany orinasam-pitrandrahana malagasy isan’ny nampanantenain’izao fitondrana izao ho avotana nefa dia bokan-trosa ihany koa? Na ilay JIRAMA, hany sisa nantenaina voalaza teo aza moa, dia efa nitsoran’ny minisitra tomponandraikitra vao tsy ela izay fa tsy manana milina ampy azo hanodinana azy araka ny tokony ho izy intsony fa voatery hindramana amin’ireo mpandraharaha tsy miankina izay saika ana kaompania vahiny ny ankamaroany. Ny solika izany tsy isika intsony no mifehy azy. Ny banky ihany koa.

MILA EZAKA BE
Ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany moa dia io efa tsy mazava hatramin’ny ela io. Hatramin’ny volamena heverina ho mihidy tsara any anaty kaofrana minisitra sy praiminisitra mihitsy no tsy hita popoka fa nivadika vy. Ny angovo moa dia io mbola lavitra ezaka be io ary tena mampanahy tanteraka hoe mbola hisy ampahany ho tantanantsika koa ve afaka 5 na 10 taona, raha ela indrindra? Na ny harena ambonin’ny tany na an-dranomasina sy ranomamy, indrindra moa fa ny ambanin’ny tany, rahoviana vao mba ho voafehy eto izany rehetra izany? Fa nahoana no nitotongana 40% be izao ny lanjan’ny vola Malagasy dia ny Ariary tato anatin’ny 5 taona farany? 14.000 taonina no lanjana menaka mavesatra ilaina hampiodina ny JIRAMA, araka ny tokony ho izy, hoy ny filohan’ny filankevim-pitantanan’ity orinasa ity teo aloha, Gérard Andrialemirovason, saingy tsy mahatakatra afa-tsy 8000 taonina ilay orinasa ka dia ho lojika raha mbola hiampy 42% indray ny tahana delestazy na fahatapan’ny herinaratra lavareny manaraka eo ary haharitra adin’ny 10 isan’andro satria tara loatra ny vahaolana. Efa tany amin’ny taona 2000, hoy izy, no tokony efa nahetsika izany Sahofika sy Volobe izany nefa mbola tsy miodina hatramin’izao. Mbola hirongatra indray ve izany ny tsy fisian’asa? Ny tsy fandriampahalemana? Ny fahaverezana asa? Ny fahantran-dRamalagasy mihitsy? Mandra-pahoviana nefa no hanekena izany rehetra izany? Ny fampiasana na ny fifehezana ny tekinolojia ity andrasana ihany fa dia 5 taona ngarangidiny, aiza ilay “digitalisation” hoe hanafainganana sy hanamorana ny fanaovana taratasy rehetra? Firifiry moa ireo nitaraina fa voatery midina any an-tanindrazana nefa resaka fahaverezana kara-panondro fotsiny? Hatramina dika mitovy na hoe “photocopie” ana karapanondro avy eto no mbola mila hamarinina na hoe hanaovana “légalisation”, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Dany Rakotoson izay. Ny mpianatry ny oniversitem-panjakana mijaly rehefa mba haka ny vatsim-pianarany satria dia milahatra, mitangorona, mifoha mangiran-dratsy sy mbola mana alina andro mihitsy kanefa dia mbola misy tsy mahazo ny anjarany fa nasaina miverina ihany. Aty amin’ny taonjato faha 21, taona 2023 kanefa ny firenenao ahitana bakalorea atao amin’ny andro alina sy toerana tsy misy jiro. Tranga tsy mbola nisy tao anatin’ny 63 taona farany nefa dia in-droa nitranga tao anatin’izao fitondrana izao. Nihemotra ny toekarena! nihemotra ny firenena!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique