airtel

Toekarena

27-mai-2022

Toekarena

Madagasikara Miadana ny fiaingana amin’ny fizahantany

Sample post image

Miadana ny fiaingana amin’ny resaka fizahantany eto Madagasikara izao, hoy ny manam-pahaizana momba azy io, Durlin Retogniane.

27-mai-2022

Tsy misy politika mazava apetraky ny minisitera momba izany, hoy izy. Na fizahantany anatiny, izany hoe ny fampandehanana ireo mpizahantany malagasy izay efa ambany rahateo ny fahefa-mividiny, na ny fisarihana ireo mpizahantany avy any ivelany ho eto Madagasikara. Mikasika ny filazana fa efa tafaverina eto ny 50%n’ireo mpizahantany dia mampametra-panontaniana ihany. 50%n’ilay tarehimarika talohan’ny Covid 19 ve ireo na ilay 350.000 isa? Sa amin’ilay vinavinan’ny fitondram-panjakana hoe 500.000 isa mandra-pahatonga ny 2023? Raha ny hita aloha dia mbola kely ireo mpizahantany tonga mitsidika an’I Madagasikara satria mbola vitsy ireo fiserana dia na “agence de voyage” voakasik’izany. Hita taratra amin’ny fivezivezen’ireo fiara fitaterahana mpizahantany ofaina eny amin’ny lalam-pirenena samihafa izany. Raha tsy hiresaka afa-tsy ny mampifandray iny lalam-pirenena fahafito na RN 7 miala eto Antananarivo ho any Toliara iny isika, ohatra. Mba firy koa, ohatra, ireo fampanofana fiara na “agence de location de voiture” mivezivezy amin’iny “Allée des Baobab” mankany Morondava iny? Na ny lalana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina eo amin’ny RN 2 na ny RN 4 mampitohy an’Antananarivo sy Mahajanga satria lalam-pizahantany na “axe touristique” daholo izany, hoy hatrany ny tenany? Mila mahafantatra ny vokatra mampiavaka antsika isika ahafantarana ireo firenena vahiny tokony hiara-kiasa amintsika izao, hoy izy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

1400 miliara Ariary eo, ankoatran’izay efa nampidirina anaty kitapom-bolam-panjakana, ny hetra tsy tafiditra,

Card image cap
18-avril-2024

Niresaka tamin’ny sehatra tsy miankina foana ny fitantanana ankapoben’ny hetra na DGI,

Card image cap