airtel

Toekarena

05-nov-2021

Toekarena

Madagasikara sy Royaume-Uni Nosoniavina ny fiaraha-miasa lehibe ara-toekarena

Sample post image

Fanaovan-tsonia ny Fifanaraham-piarahamiasa ara-ekonomika eo amin'ny Governemantan'ny Repoblikan'i Madagasikara sy i "Royaume-Uni" ary Irlande avaratra.

05-nov-2021

 Notaterahina omaly 04 novarmbra ny lanonana fanaovan-tsonia ny Fifanaraham-piarahamiasa ara-ekonomika eo amin'ny Fitondrana malagasy sy ny "Royaume-Uni" ary Irlande Avaratra. Nisolotena ny fitondrana malagasy ny Ministry ny Raharaham-bahiny Atoa Patrick Rajoelina, ary Atoa David William Ashley, Masoivohon'ny "Grande Bretagne" eto Madagasikara no nisolotena ny "Royaume-Uni" sy Irlande avaratra. Nanotrona ny lanonana tamin'ny alalan’ny fomba fampitan-davitra Rtoa Penny Mordaunt, Ministry ny Varotra any "Royaume-Uni". Tafiditra ao anatin'ny fifanarahana ara-ekonomika izay misy eo amin'ny "Royaume-uni" sy ireo firenena mivondrona ao anatin'ny AfOA (Afrique Orientale et Australe), isan'izany i Madagasikara. Ny fifanaraham-piarahamiasa dia mahakasika sehatra telo, anisan'izany ny fahafahana miditra antin'ny tsenam-barotra samihafa, ny seha-pamokarana mahakasika ny jono, ny fiaraha-miasa hoamin'ny fampandrosoana; tafitra anatin'izany ny sehatra tsy mpiankina, ny fotodrafitr'asa, ny harena voajanahary sy ny tontolo iainana. Manamarika ny fiaraha-miasa maripototra eo amin'ny Fitondrana malagasy sy ny Royaume-Uni io fiaraha-miasa io, hoy ny fanamafisana. Ara-tantara, ny 14 janoary 1817 mantsy no nosoniavina ny taratasy voalohany manamarika ny fiaraha-miasa teo amin'i Madagasikara sy firenena Anglisy. Ny "Royaume-Uni" etsy andaniny dia nanamafy ny hisian'ny fitohizan'ny fiaraha-miasa amin'ireo firenena mivondrona ao anatin'ny AfOA na dia efa nisintaka tsy ho ao anatin'ny Vondrona eoropeana aza izy ireo. Madagasikara, ny nosy Maorisy, ny nosy Seychelles, Zimbabwe, Zambie ary ny nosy Comores no mivondrona ao anatin'ny AfOA.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nifanakalo traikefa tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny any Maroc ny ekipan’ny ODOF.

Card image cap
23-avril-2024

Mbola mitohy ny fisoratana anarana amin’ny loka Pierre Castel. Hifarana ny 24 aprily ho avy izao ny andiany amin’ity 2024 ity.

Card image cap