airtel

Toekarena

31-mai-2023

Toekarena

Manamafy ny AGOA I Etazonia sy Madagasikara

Sample post image

1000 tapitrisa dolara ny fifanakalozana ara-barotra 2022

31-mai-2023

Ny fifanakalozana ara-barotra sy ny fampiasam-bola tsara kalitao dia mety hitarika amin’ny famoronana asa maro sy tsara kokoa ary hampiakatra ny fari-piainan’ny vahoaka Amerikana sy Malagasy, hoy ny eo anivon’ny Masoivoho Amerikanina eto amintsika. Naneho fa mampiroborobo ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’i Etazonia sy Madagasikara ny hetsika “One Country, One Day” notanterahina omaly. Manamarika ny fanombohan’ny paikadim-pirenena AGOA (African Growth and Opportunities Act) 2022-2025 eto Madagasikara ireo governemanta roa tonta sy ny sehatra tsy miankina, ary nohamafisina ny fahavononana hanohana an’i Madagasikara amin’ny fampiroboroboana ny fihariany amin’ny fomba maharitra sy misokatra ho an’ny fampiasam-bola amerikana ary mahasoa ny vahoaka Malagasy i Etazonia. Nahatratra hatrany amin’ny 1 000 tapitrisa dolara ny tetibidin’ny fifanakalozana ara-barotra teo amin’ny firenena roa tonta tamin’ny taon-dasa, ary i Madagasikara no nitana ny laharana fahaefatra amin’ireo mpanondrana entana tsy ara-tsolika any Etazonia amin’ny alalan’ny AGOA, raha ny tatitra. Etazonia no tsena lehibe indrindra ho an’ireo entana roa fanondran’i Madagasikara dia ny lamba sy ny lavanila izay miditra tsy misy hetra any Etazonia amin’ny alalan’ny AGOA ary miteraka asa maherin’ny 100 000 eto Madagasikara. Hanamafisana izany fifandraisana ara-barotra manan-danja izany dia niara-niasa tamin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny Malagasy ny Masoivoho Amerikana amin’ny fikarakarana ny hetsika “One Country, One Day” izay notontosaina omaly 30 mey 2023. Nampivondrona ireo manam-pahaizana avy amin’ny sehatra tsy miankina sy avy amin’ny governemanta Malagasy ary Amerikana io, ary nandinihana ireo fanararaotra sy fanamby eo amin’ny fampandrosoana ny fifanakalozana ara-barotra sy ny fampiasam-bola eo amin’ny firenena roa tonta io. Anisan’ireo nandray anjara ny Mpanolontsaina Voalohan’ny Masoivoho Amerikana Tobias Glucksman, ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny Tahiry Ratsimandao sy ireo solontena avy amin’ny Development Finance Corporation sy ny Foreign Commercial Service amerikana ary ny Antenimieran’ny Varotra Amerikana eto Madagasikara na ny American Chamber of Commerce in Madagascar.
Toky R
 

Dans la même rubrique

03-mai-2024

Nisokatra omaly ary tsy mifarana raha tsy ny 31 may izao ny fisoratana

Card image cap
02-mai-2024

Manome torolalana sy hampangarahara ny fanaovana raharaha ara-barotra ny PICM.

Card image cap