airtel

Toekarena

04-mai-2022

Toekarena

Maro ireo sambo tsy te ho ao oamasina Tandindonin-doza ny famatsiana entana

Sample post image

Ahiana hitombo ary hahery vaika hatrany ny olana amin’ny famatsiana entana ho an’i Madagasikara. Manomboka maro ireo mpandraharaha mitaraina, ary maneho fa tsy te hiazo an’i Toamasina ireo sambo.

04-mai-2022

Antony ny tsy fanajana ny hoe: izay tonga voalohany no raisina an-tànana voalohany, fa tsy maintsy miandry ireo sambo sasany mety maherin’ny iray volana vao tafiditra ao amin’ny “quai”, izany hoe mandeha ny kinamanamana, ka ny entan’izay akamakama ao anaty fitondrana no lohalaharana, fa ny hafa miandry, hoy ny fanamarihan’ny mpandraharaha sasany. Noho io toe-javatra io, tsy te ho aty Madagasikara ireo “armateurs” izay mitondra sy mitatitra ary miantoka ny famatsiana entana satria ny fotoana lany eo am-piandrasana dia midika vola mivoaka, manodidina ny 200 tapitrisa Ar isan’andro eo ny sandan’ny fihitsohan’ny sambo. Misy mpamatsy lafarinina avy any Inde, dia milaza amin’ny mpiara-miombon’antoka aminy eto mihitsy fa tsy te ho ao Toamasina ny sambo mpitatitra ny entany noho izay toe-javatra izay, raha mamonjy ny seranantsambo hafa, mbola misy tsentsina. Misy sambo mitondra lafarinina, ohatra, mihaodihaody efa roa herinandro fa tsy tafiditra ao amin’ny seranantsambo. Firenena isan’ny tena mbola miankin-doha amin’ny fanafarana entana isika, ary ny fisian’ny olana tahaka izao, dia vao mainka manampy trotraka ny fidangan’ny vidin’entana satria mitombo ny mason-karena. Ao anatin’ny efa fahasahiranana mbola ahiana ho mandeha ihany ny karazana fanararaotana sy kinamanamana. Mila tena mametraka politikam-pamokarana eto an-toerana ihany koa isika mba hialana amin’ny fanafarana lava, ka tsy hijanona ho resaka ambony latabatra hatrany ilay hoe: ny entana sy filàna, dia ezahina hovokarina eto izay azo vokarina, fa izay tsy azo ihodivirana ihany no hafarana.
Toky R
( Sary fanehoana)
 

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nifanakalo traikefa tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny any Maroc ny ekipan’ny ODOF.

Card image cap
23-avril-2024

Mbola mitohy ny fisoratana anarana amin’ny loka Pierre Castel. Hifarana ny 24 aprily ho avy izao ny andiany amin’ity 2024 ity.

Card image cap