airtel

Toekarena

27-août-2021

Toekarena

Maty tanteraka ny Air Madagascar Ampifilafilain’ny olona amin’ny fiaramanidina

Sample post image

Voalaza fa nalain’ny Frantsay ny fiaramanidina A330-200 an’ny Air Caraïbes saika hofain’ny Air Madagascar tokony hitondra ny Malagasy tavela any ivelany hody eto ho an’ny sidina voafaritra ny 25 aogositra

27-août-2021

 (Paris-Antananarivo) sy ny 26 aogositra (Antananarivo-Paris), ka tsy maintsy miova fiaramanidina ahafahana mitatitra ireo mpandeha. Efa ny Caraïbes anefa no niantsoroka ny sidina voalohany nitondra ireo olona 159. Voatery manofa ny fiaramanidina Boeing 787-900 Dreamliner an’ny Air Europa indray noho izany ny Air Madagascar hiantsoroka ny sidina. Endrika maneho, fa tena hataon’ny olona amin’izay tiana hanaovana azy isika. Zary lasa anarana sisa tsy very sisa ny kaompania Malagasy izay isan’ny reharehan’ny firenena taloha, azo sokajiana ho manamarika ny firenena sy ny fiandrianam-pirenena mihitsy izany kaompania an’habakabaka izany, saingy ny antsika tsy mba niroso fa nihemotra. Mindrana sy manofa sisa noho ny fitantanana tsy nanjary. Ireo fiaramanidina maty kapoka nampidirina tamin’ny tetezamita tsy hita popoka, ny fiaramanidina natao fitaovana politika namidy tsy hay hoe natao inona ny vola, ireo nofaina efa naverina amin’ny tompony,… Ny volana orinasam-panjakana iray efa natontona aho, saingy io sisa no niafarany.
Toky R

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nifanakalo traikefa tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny any Maroc ny ekipan’ny ODOF.

Card image cap
23-avril-2024

Mbola mitohy ny fisoratana anarana amin’ny loka Pierre Castel. Hifarana ny 24 aprily ho avy izao ny andiany amin’ity 2024 ity.

Card image cap