airtel

Toekarena

24-févr-2021

Toekarena

Mba hampidi-bola betsaka amin’ny Fanjakana Nafindra amin’ny CSBF ny resaka “Assurance”

Sample post image

Nafindra any amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM) amin’ny alalan’ny

24-févr-2021

 

 

 

CSBF (Commission de la Supervision Bancaire et Financière) eo anivon’ny Banky Foiben’i BFM ny fitantanana sy ny andraikitra mikasika ny fanaraha-maso ny sehatry ny fiantohana niantsorohan’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola. Izany no natao dia ny mba hanarahan’i Madagasikara ny fepetra takiana amin'ny fanaraha-maso mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena ka anolorana ny fanaraha-maso ireo sehatra ara-piahiana sy ara-piantohana ho eo ambanin’ny CSBF, hoy ny fanazavana ara-teknika. Mba hananana rafitra mahaleo tena ihany koa. Ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Richard Randriamandrato sy ny Governoran’ny Banky Foiben’i Madagasikara, Henri Rabarijohn, notronin’ireo ekipa teknisianina maro, mpisehatra ao anatin’ny fiantohana no nanao ny fifamindrana ara-pitantanana omaly 23 febroary. Nanazava ny Governora mahakasika ny zava-misy ao anatin’ny lalàna momba ny sehatry ny fiantohana. Taorian’izay ihany koa no nandraisan’ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola fitenenana, ary mbola nohamafisiny tamin’izany fa tsy anjaran’ny eo anivon’ny Tahirimbolam-panjakana intsony manomboka izao no misahana ny fanaraha-maso ny sehatry ny fiantohana kanefa kosa misy ireo komity izay misahana izany mandritry ny famindram-pahefana eo amin’ny Tahirimbolam-panjakana sy ny Banky foiben’i Madagasikara. « Tanjona ny hampiakarana ny vola miditra ao anaty kitapom-bolam-panjakana. Tsy ny fiara ihany, ny fanaovan-trano, ny sekoly, fikarakarana sy fikojakojana fiarakodia, dia tokony hanao io antoka io rehefa mihatra sy manan-kery ny lalàna. Tsy maintsy misy fifampitaizana satria maro no tsy tena mahatakatra, ary toa lasa hoe ho an’ny zandary na ny polisy no ilàna ny fanamarinam-piantoana, kanefa ny resaka loza no tena antony », hoy ny Governoran’ny Banky Foibe Atoa Henri Rabarijohn.

Toky R

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nifanakalo traikefa tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny any Maroc ny ekipan’ny ODOF.

Card image cap
23-avril-2024

Mbola mitohy ny fisoratana anarana amin’ny loka Pierre Castel. Hifarana ny 24 aprily ho avy izao ny andiany amin’ity 2024 ity.

Card image cap
22-avril-2024

Tena mampieritreritra lalina ny tenin'ny mpitandrina tao amina fiangonana iray ny alahady lasa teo.

Card image cap